Voarakitra ao anatin’ny sori-dalana ny fanokafana ireo onjampeo sy fahitalavitra nakaton’ny FAT.
. Hatreto anefa dia tsy mbola misy tokotaniny na dia mitaky izany aza ny mpanao politika maro toa ny ankolafy Ravalomanana. Tsy nahandry intsony momba izay ambarany ho fanaovana resabe fotsiny ity raharaha ity koa dia nametra-pialana tsy ho mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa, filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Manana ny heviny ny ministeran’ny serasera. Momba ny Radio Mada sy ny Radio Fahazavana dia didim-pitsarana no nanakatona azy ireo noho ny raharaha fikomiana teny amin’ny RAS sy Fort Duchesne ka anjaran’ny fitsarana no mandray ny andraikitra momba ny fanokafany na tsia azy ireo fa tsy hitsabaka amin’ny asany ny ministeran’ny serasera, hoy Rahajason Harry Laurent. Momba ny onjampeo sy fahitalavitra MBS indray dia nambarany fa ny filoha teo aloha mihitsy no nanolotra ny fitaovana sy ny mpiasa ho an’ny fanjakana.
“Ampiasain’ny Kaominina ao Antsohihy izao ny fitaovan’ity orinasa ity tao an-toerana ary misy amin’ireo mpiasany no miasa ao amin’ny RNM eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra. Misy aza no lasa delegen’ny fifandraisana any amin’ny faritra misy azy mihitsy”, hoy ny fanazavany hatrany. Momba ireo onjam-peo sy fahitalavitra miisa 52 hafa izay nakaton’ny FAT kosa dia nambaran’ny minisitra fa ny 8 amin’ireo ihany no nahazo ny antontan-taratasy fankatoavana vonjimaika ahafahany manao andrana teknika fa ny sisa dia niasa an-tsokosoko. Na ireo 8 ireo aza mbola manao dingana maro vao mety hahazo ny fahazoan-dalana, hoy hatrany izy. Ao anatin’ny fanadiovana ny tontolo mihitsy ny ministera ankehitriny ka rehefa tontosa izany dia ny filankevitry ny minisitra no manala ilay fampiatoana.
Afaka miroso amin’ny fanaovana tolo-bidy ny ministera avy eo ka izay onja malalaka no azo zaraina, hoy hatrany ity mpanao gazety taloha mpanao famakafakana tao amin’ny Viva Radio, onjampeon’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.