Hifanotofan’ny mpanao politika Malagasy ny fanaovana fanambarana politika lehibe any ampitan-dranomasina. Tany Frantsa no nisantaran-dRajoelina ny fampahafantarana ilay IEM (Initiative d’Emergence pour Madagascar),
kanefa ny firenena Malagasy no hambara fa hampandrosoina. Tany Frantsa ihany koa i Henry Rabary-Njaka no nilaza fa ny 24 novambra ny datim-pifidianana, kanefa aty Madagasikara no hanaovana ny fifidianana. Hihazakazahana fatratra ny fakana ny fon’ny Malagasy mpila ravinahitra any andafin’ny riaka na ny “diaspora”. Hatreto anefa, dia tsy manan-jo hifidy akory izy ireny, izay manodidina ny 250 000 ireo mielipantrana maneran-tany amin’izao fotoana izao. Mety hanova zavatra amin’ny voka-pifidianana eto amintsika anefa ny fampandraisana anjara azy ireo, saingy hatreto dia tsy mbola misy ny fikaroham-bahaolana hanomezan-jo azy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fanomezan-jo hifidy. Hery lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana azy ireo, raha tena hay ny manetsika sy manentana azy handray andraikitra amin’ny fanavotanana ny firenena. Eo amin’ny lafiny ara-bola, ohatra, dia mahatratra 450 tapitrisa dolara isan-taona ny vola alefan’ny diaspora Malagasy ho an’ny firenena. Manome 30% amin’ny tetibolam-panjakana izany ary 60-n’ny fampiasam-bola vahiny mivantana, raha ny fanehoan-kevitra nataon-dRaharinirina Vahinala, Malagasy mipetraka any Frantsa tao amin’ny onjam-peo Top Radio ny volana novambra 2017. Mbola azo ihoarana lavitra io raha tena hain’ny mpitondra ny mandresy lahatra azy ireny tena hanome tanana amin’ny fampandrosoana. Mila mpitondra azo antoka sy tena mitsinjo firenena anefa raha te hahazo fitokisana avy amin’izy ireo fa tsy malaza ratsy amin’ny afera maloto sy kolikoly, toy ny misy ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.