Niaraha-nahita ireo fihetsiketsehana namaranana ny taona. Tao ny ara-politika. Tao ny sendikaly ary tao ny sosialy.
Nilaza ny heviny momba ireny ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse, ary nilaza fa misy antony ireny. Raha raisina ohatra ny raharaha Ambohitrimanjaka dia niantso izay voakasik’io raharaha io rehetra ny CFM, hoy izy. Nivory tato ny filohan’ireo rafitra sy rafi-panjakana ary solontenany. Tsy mahazaka krizy intsony tsinona, hoy izy, ity firenena ity fa ho faty raha mbola misy tranga hiteraka izany eto. Antony himatimatesanay ny mba hisian’ny kolontsain’ny fifampidinihana ary antony nanangananay tamin’ny faramparan’ny taona ny antsoina hoe sehatra ifampiresahana io. Ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena dia ho avondrona ao amin’io rafitra ho apetraka isaky ny distrika na renivohi-paritany io avokoa. Na mpanao politika, na mpandraharaha, na mpitondra fanjakana, na mpitondra fivavahana, na mpianatra, na fikambanam-behivavy sy ny rehetra dia ho ao daholo. Tsy misy programa mipetraka mialoha fa ny fahafahana mifampiresaka sy mifanabe no tanjona ary mitarika fotsiny ny CFM, hoy hatrany izy. Inona daholo ny olana misy eto amin’ny firenena dia inona no vahaolana azo aroso? Rehefa nazavaina tamin’ny alalan’ireo atrikasa nitetezam-paritra, hoy izy, io dia nahafaly ny olona ary tena naharesy lahatra fa fitaovana iray ahafahana mametraka ny fandriampahalemana eto. Ny fahavononan’ny rehetra sisa andrasana. Antony nahatonga ny CFM hijery ny fanatsarana ny Dina mba hifototra amin’ny soatoavina Malagasy koa io ialana amin’ny tsy fanajana zon’olombelona. Isan’ny tsy azo ekena intsony, ohatra, ny mbola fisian’ny fanapahan-doha any amin’ny faritra sasany, hoy hatrany ity filohan’ny CFM ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.