“Ilain`ny firenena demokratika ny fisian`ny fanoherana. Ny lalàmpanorenana mihitsy no mitaky izany. Voalaza fa ny lehiben`ny mpanohitra no misahana ny filoha lefitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena”,
hoy i Maka Alphonse, filohan`ny komitin`ny Fampihavanam-pirenena (CFM). Ny fanoherana dia fomba iray hoentina amin`ny fitantanan-draharaham-panjakana hisian`ny mangarahara sy fanjakana tsara tantana. Hita, hoy izy fa mbola marefo ara-politika i Madagasikara. Sambany mba nisy ny fifandimbiasam-pahefana tamin`ny fomba demokratika ka mila hatsaraina ny dingana vita amin`ny demokrasia. Ilaina ny arofanina izay misy endri-pitantanana, indrindra amin`izao. Nilaza kosa izy fa niha nahazo vahana ny fanoherana mifono fankahalana sy fikatsahana tombontsoa manokana ho an`ny vondron`olona sy antoko. Fomba fanao politika miendrika fahalemena izany sady tsy mitondra any amin`ny fampandrosoana velively, hoy hatrany ny fanazavana. Nanatanteraka atrikasa ho fampizarana traikefa amin’ny fampanjakana ny soatoavina Malagasy ny CFLM na ny filankevitry ny fampiavanana Malagasy. « Fiarahana mametraka ny soatoavina Malagasy ho fanoitra enti-mitantana amin’ny fampandrosoana ifotony » no lohahevitra nentina tamin’izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.