Politique

Maka Alphonse –Filohan’ny CFM “Atomboka eny ifotony ny fampihavanana”


  • Sabotsy 14 Oktobra 2017

Voafidy ho filohan’ny filankevitry ny fampihavanam-pienena (CFM) omaly zoma, nifanandrify indrindra tamin’ny nahalasanan’ny profesora Zafy tompon-kevitra tamin’ny fampihavanam-pirenena i Maka Alphonse, izay mpanao gazety.

Ilaina ny fahaleovantena sy tsy fitanilan’ny CFM amin’ny asa ataony raha tiana ho tontosa ny fampihavanam-pirenena hoy izy.Mazava tsara ny asa aman’andraikitra ho anay araka ny voasoratry ny lalàna,hoy i Maka Alponse tamin’ny resaka fohy nifanaovana taminy ka inoako hoy izy fa miroso ny fampihavanana rehefa voahaja ny fitsipika sy ny lalàna.Nomariany fa tsy mitovy amin’ny fiasana komity na ministera ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena fa manana fiasana andrim-panjakana ka mbola irosoana aloha ny fifidianana ireo mpikambana hafa handrafitra ny birao, izay ho fantatra anio sabotsy izay vao hametraka ny fomba fiasa sy ny laharampahamehana izahay hoy izy.Miondrika am-panajana amin’ny nahalasan’i Pr Zafy Albert ny tenako hoy i Maka Alphonse ary mahatsiaro fa maro ny mamy navelan’iny ray aman-dreny iny ; tsy handraka ilo mby an-doha ny CFM fa hanohy ny fampihavanam-pirenena ary tsy avela ho maty momoka ny ezaka efa vita tany aloha.Nomarihany kosa anefa fa asa tsy maintsy atao ny fampahafantarana amin’ny vahoaka eny ifotony ny lalàna mifehy ny fampihavanana ary tsy maintsy atomboka eny ifotony io fampihavanam-pirenena io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT