Sesilany tato ho ato ny tompon’andraiki-panjakana voarohirohy amina fanodinkodinana volam-bahoaka. Hentitra i Maka Alphonse,
filohan`ny CFM nilaza fa tsy tokony hijerena endrika sy toerana ara-politika ny ady amin`ny fahalovana. Noho izany, rariny raha mihatra ny lalàna ho fanajana ny rafitra. Ilain`ny firenena izany mba hanjakan`ny marina hatrany. Nanazava izy fa ny anton`ny fampihavanam-pirenena dia tsy natao hampanjakana ny tsimatimanota fa kosa hampihavanana ny Malagasy. Tsy natao hisakana ny asan`ny fitsarana koa. Ny CFM koa, hoy izy dia voafaritra amin`ny lalàna ny fe-potoana hiasany ary voafaritra ihany koa ny asa sahaniny. Aleo halalaka ny fitsarana hanao ny asany satria izay rahateo no imatitatesan`ny fitondrana mba hisian`ny fampanjakana ny rariny sy ny ady amin`ny kolikoly. Ka raha ohatra misy an io tranga io, dia aleo ny fitsarana hanao ny asany. Aoka kosa ny fitsarana tsy atao fitaovana politika ka hanenjehana izay tsy mitovy hevitra. Amin`izay mba hahatsara tarehy ny fitsarana sy fanjakana amin`ny ady amin`ny kolikoly ka tsy mitanila fa atao araka ny lalàna velona fa tsy hanaovana valifaty politika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.