Politique

Maitre Olala ‘’Tena kivy amin’ity fitondrana ity aho’’


  • Talata 11 Febroary 2020

Nahafaly ahy tamin’ny fiandohan’ny taona, hoy ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Olala, ny naheno ny fitondram-panjakana fa hampianatra sy hampihatra lalàna.

 

 

 

Ho sambatra amin’izay izany, hoy aho, i Madagasikara. Indrisy anefa fa maromaro amin’izao fotoana izao ny resaka nataony nefa tsy tanterany. Ity resaka governora ity izao, ohatra, dia efa nisy ny lehiben’ny faritra talohany. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa tsy maintsy fidiana ireo. Efa hita tamin’izay fotoana izay fa nisy ny tsy fanarahana ny lalàna ka ny fitondrana ankehitriny, izay nitondra ilay lalàna sy fanarahan-dalàna no mila manitsy azy. Indrisy anefa fa mbola nanao zavatra ratsy kokoa ny fitondrana ary nanohy tsy fanarahan-dalàna satria mbola somary novaina kely ilay anarana dia natao governora indray. Io governora io dia iaraha-mahalala fa tsy nisy nifidy. Ho an’ny faritr’i Taolagnaro izao, hoy izy, dia nataon’ny governora aiza ilay 1 miliara ariary ? Na ny lalana mankany Taolagnaro ho any Ambovombe izay nilokalokany fa hampiasana izany izao dia tsy hita soritra na ny hatreo Soanierana fotsiny aza. Ny fanimbana ny fananam-bahoaka ao Libanona anefa hihazakazahana. Maninona no misy faritra misy governora dia misy tsy misy ankehitriny  ? Amin’ny vahoaka Malagasy ny dikan’izany dia misy tany tiana handroso fa ilay tsy asiana governora ve izany tsy tiana handroso ? Ny faritra sasany mahazo 1 miliara dia ny sasany tsy afa-mihetsika satria tsy mahazo. Ohatra ihany ny governora fa amin’ny ankapobeny ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fiainana, ny sekoly, ny fahasalamana, ny sakafo, ny fonenana, ny vola miditra amin’ny fianakaviana dia tsy alehany daholo, hoy hatrany ity mpisolovava ity, naneho ny hakiviany sy fahadisoam-panantenany. 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT