Tsy rariny ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana momba ny loholona Lylison ho an’ny Maitre Olala na Willy Razafinjatovo omaly. Fiarovana ny tombontsoan’ny mpitondra ilay izy ary misy ambadika politika, hoy ity mpisolovava ity.
Momba ny tenin’ny filohan’ny antenimierandoholona milaza fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto dia nanitrikitrika ny Maitre Olala fa hoe : « atombohy amin’ny filoham-pirenena ary ny fanadihadiana fa maro be ny fandikan-dalàna ataony… ». Amiko dia fanehoan-kevitra politika tsotra no nataon’ny senatera Lylison, hoy ny Maitre Olala ka tsy hita izay tokony ho nanaovana fihetsiketsehana be sy fisavana trano tahaka ny natao ny alarobia lasa teo. Tsy nisy akory zavatra mampiahiahy hita ka azo hanaporofoana fa nisy fikasana hanakorontana tokoa. Noho izany, tsy misy antony intsony hanohizana ny fanadihadiana momba ny kolonely Lylison raha ny fahitan’ny Maitre Willy Razafinjatovo azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.