Mahagaga, hoy ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, fa efa tamin’ny 9 jolay no tafapetraka tao amin’ny biraon’ny fitsarana
avo ny fangatahako ny amin’ny mba hampiatoana ny didy mikasika ny fampiatoana ahy amin’ny asako na « suspension d’exécution », raha nanazava ny momba ilay fiakarany filankevi-pitsipika na Codis farany teo. Raha ny tokony ho izy dia 20 na farafahelany 1 volana izany dia tokony hivaly. Hatramin’izao anefa, hoy izy, 2 volana aty aoriana dia mbola tehiriziny ao foana. Mikasika ny resaka fifidianana ben’ny tanàna kosa dia nambarany fa tsy mahagaga raha miha vitsy sy miha kamo hatramin’ny olona hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ankehitriny satria ny fisehoan’ny fikarakarana aza tsy ahitana fanabeazana politika. Nahagaga fa tamin’ny fifaranan’ny fisoratana anarana, 600 mahery no isan’ireo birao tsy misy mpilatsaka. Tampotampoka teo anefa dia feno ny isa. Sarotra, hoy izy, ny tsy hiahiahy fa nofenoina ny lisitra. “Dia famitahana vahoaka foana ve no hiainana eto ? Raha hatramin’ny olona hofidiana aza malaina dia inona intsony no antenaina amin’io fifidianana ho avy io ?”, hoy izy
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.