Politique

Maître Hanitra Razafimanantsoa Rehefa tsy manatanteraka ny fifanarahana dia tsy azo ekena


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Ny faritra Atsimondrano iny no niandohan’ny tolon’ny ankolafy Ravalomanana ny taona 2009. Ny sabotsy lasa teo dia nifamotoana tao amin’ny kianjan’ny Magro Tanjombato ireo mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana.

“Toerana nahafahan’ny vahoaka Malagasy nihinana vokatra azo avy amin’ny ronono tsara sady mora itony toerana itony”, hoy ny mpisolovava Hanitra Razafimanatsoa raha nandaha-teny. Ankehitriny anefa dia zary lasa fahatsiarovana sisa ka izany no tsy maintsy hitolomana, hoy ihany izy. Ny entana tonga eto amintsika amin’izao fotoana izao manko dia tsy fanta-piaviana ary tsy fantatra ihany koa ny kalitaony. Momba ny raharaha politika indray dia nambarany fa ny ankolafy mpanohitra no sakana kanefa amin’izao fotoana izao dia iaraha-mahita sy mahafantatra ny mpamotika sy manohy ny famotehana ny firenena, hoy hatrany ny Me Hanitra. Nambarany fa efa an-tery vao ho teraka ny governemanta Beriziky. “Raha tsy manatanteraka ny fifanarahana dia tsy azo ekena mihitsy”, hoy ihany ity mpisolovava ity. Tambiny tamin’ny nanekena ny praiminisitra ny fahazoana ireo ministera nangatahina, anisan’ireny ny ministeran’ny fitsarana izay natao fitaovana namoretana ny ankolafy Ravalomanana.

Araka ny fanazavany ihany, raha ny filoha Ravalomanana no nambara fa miziriziry dia tsy nisy ireny dinika tany Maputo sy Addis Abeba ireny fa nilefitra, nanindry ny hambom-pony izy, hoy ny fanazavana. Ankoatra izay dia nohamafisiny fa tsy maintsy manaraka ny toromariky ny mpanorina ireo mpikambana sy mpanara-dia ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana. Ny tanjona dia ny fodian’ny filoha an-tanindrazana sy ny famerenana azy hitondra ny firenena, hoy ihany ny Me Hanitra Razafimanantsoa.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT