«Tsy nandray andraikitra ny olona tokony handray andraikitra voalohany amin’ny fampodiana ny filoha Ravalomanana», hoy ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na ny CST Hanitra Razafimanantsoa.
Nambarany koa fa «Tsy mampatahotra ny NOTAM, ary vao mainka aza hoporofointsika ato ho ato fa ho betsaka noho ireny tamin’ny sabotsy ireny isika. Tsy maintsy mody ny filoha Ravalomanana ary tsy maintsy hampiharina ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana, izay ihany no fantatsika», hoy ihany ity mpisolovava ity omaly raha niatrika ny vahoakan’ny Magro ny tenany. Raha ny fanazavany dia tokony ho niainga teo anivon’ny ministeran’ny fitaterana ilay NOTAM, avy eo any amin’ny Aviation Civile de Madagascar na ACM, mankany amin’ny Asecna izay vao any amin’izay hampihatra azy.
Tsy izany no niseho fa fandikana ny fombafomba, raha ny fanazavana. Ankoatra izay dia nohazavainy fa be loatra ny lainga afafy eto amin’ny firenena. Momba ny zavatra nitranga teny Ivato ny sabotsy teo indray dia mazava ny resaka, hoy izy. «Tsy vitan’ny hoe matahotra loatra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ny FAT fa dia natahotra ny vahoaka nangorovitsika tonga teny Ivato koa. Tsy hiadian-kevitra fa miandrandra ny filoha Ravalomanana ny Malagasy ary tsy hisy hahasakana izay fiverenany eto an-tanindrazana izay. Efa hitan’izao tontolo izao ireny ary dia hilaza ny marina no anton-dianay any Afrika Atsimo», hoy izy. Anisan’ireo delegasion’ny ankolafy Ravalomanana tokony ho nihazo an’i Afrika Atsimo omaly tokoa ny tenany, noho ny fiantsoana maika nataon’ny Troika, saingy noho ny korontana nateraky ny NOTAM dia tsy nisy toerana intsony ny fiaramanidin’ny Air Links tokony hitondra azy ireo.
Raha ny vaovao manko dia nampiato ny asany nandritry ny roa andro, dia ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Air Link noho io resaka NOTAM nataon’ny filohan’ny FAT io ihany ka betsaka ireo mpandeha tsy afaka nihazo an’i Afrika Atsimo raha tsy nanomboka omaly. Hanomboka anio ny fivoriana niantsoan’ny Troika ny avy ao amin’ny prezidansa FAT, ny praiminisitra Beriziky sy ny solontenan’ireo ankolafy politika sasany. Ho an’ny firehana Ravalomanana dia ny filohan’ny Kongresy Mamy Rakotoarivelo ihany no lasa omaly saingy mbola hanara-dia azy ny filoha lefitry ny filankevitra ambonin’ny tetezamita Hanitra Razafimanantsoa sy ny praiminisitra lefitra, Pierrot Botozaza amin’ity anio ity. Izy telo mianadahy ireo, raha ny fantatra, no ho solontenan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ity fivorian’ny Troika ity raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Ny filohan’ny ankolafy moa dia efa any Afrika Atsimo rahateo.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.