Raha variana amin’ny resa-bola ny eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia miroso amin’ny fikarohana ny marimaritra iraisana sy ny fametrahana ny fiaraha-mitantana voasoratra ao anatin’ny tondrozotra kosa ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita etsy Anosikely.
Taorian’ny nisintahan’ny ankolafy Ravalomanana ny alarobia 1 desambra teo ka tsy nandraisany anjara intsony tamin’ny fivoriana dia nisy ny komity manokana natsangana maika teny anivon’ity andrim-panjakana ity mba handinihana ny tokony hatao. Tapaka àry, taorian’ny adihevitra nafana saika niafara tamin’ny totohondry, fa dia ampiana iray ireo filoha lefitra 6, izay toerana efa norombahan’ny UDR–C sy ny TGV avokoa. Omaly no notanterahana ny fifidianana, ka kandida tokana Rtoa Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, lany tamin’ny isam-bato 77 ity filoha lefitra faha 7 ity. 113 moa no tonga nandatsa-bato teny amin’ny lapan’Anosikely io omaly io.
Andraikitry ny Mpampakateny ankapobeny no tena asa hosahaniny. Azo ambara fa fandresena goavana ho an’ny mpanohitra amin’ny ankapobeny sy ho an’ny ankolafy Ravalomanana manokana, izay vitsy an’isa eo anivon’ny CST ity nahavoafidy an’ny Maître Hanitra ity. Voaporofo koa izao fa tsy hanaiky lembenana amin’ny ampihimamba ataon’ny ankolafy Rajoelina sy ny tariny ao amin’ity andrim-panjakana ity ny ankolafy Ravalomanana, ary mijoro hatramin’ny farany amin’ny fanajana ny zavatra nekeny sy nosoniaviny dia ny tondrozotra izany, izay milaza mazava fa tokony ho hita taratra anatin’ny rafitra tetezamita rehetra ny fiaraha-mitantana. Hita amin’izao ihany koa fa tsy azo ihodivirana amin’ny fitantanana ny tetezamita ity ankolafy ity, ary fantatry ny filohan’ny CST, ny jeneraly Rasolosoa Dolin tsara izany. Tsy fiteny intsony ankehitriny ilay hoe lasa ny sambo ka izay tsy miditra dia aleo ho tavela eo ! Fiaraha-mitantana ihany no izy dia izay, fa tsy misy hevitra hafa ! Azo antoka ihany koa fa tsy hanara-drenirano fotsiny amin’izay fanapahan-kevitra horaisina ao amin’ny CST ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana fa hitandro mandrakariva ny tombotsoa soa ambony ho an’ny firenena sy ny fanajàna an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra. Hifarana rahampisto moa ny fivoriana ara-potoan’ny parlemanta, izay nandinihana ny tetibola 2012 ary nanekena ny tondrozotra ho lalàna mihatra eto amin’ny firenena, saingy azo eritreretina ny mety hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana sy handaniana ireo tolo-dalàna hafa tena maika, tahaka ny famotsoran-keloka, ohatra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.