Politique

Maitre Avoko Tampenam-bava koa !


  • Zoma 02 Martsa 2012

Nolavin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, araka ny taratasy N°122CUA/DS/SG/DJSL.AUT.S/12 , tamin’ny 27 febroary 2012 ny fangatahan’ny Maitre Avoko sy ny ANAWI, mba hahazo alalana hanatanteraka ilay hesika Masoandro Maraina, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina.

 Mametra-panontaniana, arak’izany ny mpikarakara ity hetsika ity ny amin’ny hoe : fa tena tsy matahotra an’Andriamanitra mihitsy ve ny mitondra fanjakana, no dia sakanana foana izay hetsika mba hiposahan’ny masoandron’i Gasikara. Araka ny fanazavan’ny Maitre Avoko sy ireo mpiara-dia aminy dia ho avy tsy ho ela, ilay avo indrindra hanatanteraka ny fiposahan’ny masoandro marain’i Madagasikara ka izay mbola mifikitra amin’ny haizina no mitady ny fomba rehetra hanakanana izany.

Mametra-panontaniana ihany koa izy ireo ny amin’ny hoe : fa mieitreritra ny tena mbola manana lazonady hiatrehana izao krizy sy olana maro be etsy sy eroa, izao ve ny mpitondra, no tsy mety manaiky ny antson’Andriamanitra hanafaka ny firenena ? Andriamanitra irery ihany, araka ny fahitan’ny ANAWI azy no afaka hanafaka ny vahoakany hiala eo ambany ziogan’ny haizina sy ny faharatsiana. Mankahery hatrany ny vahoaka Malagasy amin’izao vanim-potoana sarotra sy manjombona izao moa, ny Maitre Avoko, ary milaza fa ao anatin’ny fandaminana sy fanatanterahana fivoriana maika ry zareo mpikarakara ny Masoandro Maraina ankehitriny.

Nanome toky izy fa tsy maintsy hisy ny fihaonambe, ary tsy ho ela mba ho fanatanterahana ny fahamarinana sy ho fametrahana ny fandriampahalemana, ary midika ho fandresena araka ny planina efa nomanin’Andriamanitra ho an’ity firenena ity. Fomba famindra hafa mihitsy no itondran’ny Me Avoko ny vahaolana amin’ny famahana ny krizy, raha tena arahana akaiky ny fanambarana sy ny fihetsika nataony tato anatin’ny volana maromaro izao. Tsy dia mety maneho hevitra be loatra momba ny fanaovana politika, ny tondrozotra sy ny fomba fitantanana ny fanjakana amin’ny ankapobeny izy, fa kosa nilaza sy namerimberina hatrany fa tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’Andriamanitra, irery ihany no hamaha ny krizy sy hanavotra an’i Madagasikara. Mamarina any an-kady ny lalan-kafa ankoatr’izay, raha ny fomba fijeriny ihany. Nanamarika anefa ity zanaka lahimatoan’ny Grand Maitre Pierre Be ity fa tsy mpaminany, na mitarika antokom-pivavahana vaovao ny tenany, fa kosa mampianatra mizara ny fahalalany sy ny fahaizany ary ny vina ananany amin’ny mpiray tanindrazana aminy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT