Politique

Maitre Avoko Tafahoatra loatra ny zava-misy ankehitriny


  • Talata 12 Febroary 2013

Mivoatra haingana dia haingana ny raharaham-pirenena. Nivory maika omaly ny birao politikan’ny Malagasy Afaka tarihan’ny Maitre Avokoa na Rakotoarijaona Avoko sy ny mpanao kung fu nandinika ny zava-misy sy nandray fepetra eo anatrehan’izany.

 Tsy tokony hisy intsony araka ny fanapahan-kevitr’izy ireo ny fanemorana fanindroany indray ny datim-pifidianana. “Aza ampitahorina koa ny vahoaka fa mahalala ny mahasoa azy izy” araka ny fanambarana navoakan’ny Malagasy Afaka. Milaza koa ry zareo fa tsy izy intsony ny zava-misy ankehitriny ka iantsoany fiaraha-mientan’ny rehetra. “Tandindomin-doza ny firenena ka andeha hiara-kitsangana isika na olon-tsotra na mpanao politika na ankolafy. Samia misikina fa tafahoatra ny mety ny mitranga eto amin’ny firenena. Atambaro ny herintsika raha mbola ramatahora sy fitiavantenan’olon-tokana no hampanjakaina eto”, araka ilay fanambarana hatrany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT