Tontosa ny sabotsy 17 sy alahady 18 martsa, faran’ny herinandro teo, ny fanazavan-kevitra sy fanomezana toromarika nataon'ny mpikatroka kung-fu sy ny fikambanana ANAWI, miara-dia amin'ny Maitre Avoko Rakotoarijaoana ary manatanteraka ilay hetsika Masoandro Maraina.
Noho ny tsy nahazoana alalana hampiasa ny kianja mitafon'i Mahamasina moa dia voatery teny Andrefan'Ambohijanahary no nanatontosana ny fihaonambe. Araka ny fanambarana ofisialy nivoaka omaly hariva dia mitatitra ny fahitan'ny vahoaka ny zava-misy sy ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny ny mpikarakara ny hetsika. Koa tamin'izany ary no nahafantarana fa efa tena leo ny vahoaka ary tsy handefitra manana ny rariny intsony. Vonona ny hanampy azy ireo mba hanitsy sy hanova ny zavatra tsy mety rehetra eo amin'ny fitantanana ny firenena ny kung-fu ary hanohy hatrany ny tolona. Tsy hitazam-potsiny izao fahantrana mahazo ny vahoaka malagasy izao izahay, hoy ny feo heno tetsy Andrefan’ambohijanahary ka handray andraikitra ny kung-fu sy ANAWI. Nampatsiahy indray ny Maitre Avoko fa tamin'ny 1984 dia niantso ny kung-fu ny vahoakan'Antananarivo mba hamongotra ny asa ratsy nataon'ny TTS.
Amin'izao fotoana, hoy izy, dia misy indray ny TTS vaovao izay tena mandripaka ny vahoaka Malagasy. Tsy maintsy hijoro ny kung-fu manerana ny Nosy handray andraikitra hamonjy ny vahoaka sy ny firenena, ka izany no nanomezana toromarika ireo maitres kung-fu rehetra tonga teto Antananarivo, ny faran'ny herinandro teo. Manameloka hatrany ireo mpanao politika tia tena mpangoron-karena sy mpambotry firenena ny hetsika Masoandro Maraina, nambaran'ny mpikarakara ity hetsika ity, fa efa tena tsy te hierika mpanao politika sy ireo mpitondra ankehitriny intsony ny vahoaka. Ho an'ny Maitre Avoko sy ireo mpiara-dia aminy dia tsy nisy afa-tsy iray isan-jaton'ny mpanao politika no tena mba hita fa miezaka hanala ny firenena amin'ny krizy. Tahaka ny mahazatra moa dia nisy ny fametraham-panontaniana avy amin'ny olom-pirenena tsotra omaly, nandritra ity fihaonambe Masoandro Maraina ity.
Nanazava ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy ihany koa ny mpikarakara ka hita fa miha matotra hatrany ny fifandraisan'ny roa tonta. Araka ny filazan'ny Maitre Avoko dia efa maro ny olona vonona ny hijoro sy hiady ho amin'ny fahafahana sy fahamarinana mba hialana haingana amin'ny krizy. Vonona amin'ny hetsika sy ny sedra rehetra ihany koa ny kung-fu manerana ny Nosy raha araka ny fanazavana azo, ary raha ilaina aza dia hiaraka amin'ny vahoaka haka ny fitondrana izy ireo, ary hametraka rafitra tsotra nefa mazava, hanavotana an'i Madagasikara. Azo ambara fa miditra amin'ny dingana manaraka goavana kokoa, indray ankehitriny ity hetsika Masoandro Maraina tarihan'i Avoko Rakotoarijaona ity ary manomboka tena manakiana mivantana amin'izay ny mpitondra tetezamita sy ny ankamaroan'ny mpanao politika eto amintsika. Mino sy matoky ny mpikarakara ity hetsika ity fa haharesy lahatra ny vahoaka izy ireo, hipoitra ny marina rehetra ary dia hiposaka ny masoandro maraina ....tsy ho ela.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.