Faritra roa dia Atsinanana sy Analanjorofo no notsidihan’ny hetsika Masoandro Maraina tarihan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, tamin’iny herinandro lasa iny ka anisan’ireo tanŕna notsidihana ny tao Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Vatomandry ary Brickaville.
Famoriam-bahoaka narahana fanazavan-kevitra sy fampianarana moa no natao tamin’ireo tanàna naleha ireo, ary araka ny filazan’ny Maitre Avoko dia nahazoana alalana avokoa ny hetsika rehetra natao ary tao anaty trano no nanatanterahana azy. Vahoaka maro be hatrany moa no namaly ny antso tamin’ireo fitsidiham-paritra ireo. Nilamina ny hetsika rehetra ary nanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomena azy taty Antananarivo ireo Maitre kung-fu mielipatrana manerana ny Nosy tamin’ny fanentanana sy fiantsoana ny olona. Taorian’ny fandinihana ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny fandalinana ny soratra masina voarakitra ao amin’ny baiboly no hahafahan’ny hetsika Masoandro Maraina milaza fa tanteraka teto Madagasikara ny nambaran’Isaia mpaminany, ao amin’ny Isay 3 : 1–5 izay raha fintinina dia milaza fa : hiala amin’ny toerany ny filoha am-perinasa ary hisy zazalahy hisolo azy, ary hifanipaka sy tsy hitovy hevitra ny mpiray firenena.
Tsikaritra ankehitriny, hoy ny Maitre Avoko fa tena ny haitraitran-jaza no manapaka ny firenena, ny rendrarendra, fampisehoana sy lanonana, fihetsiketsehana ety ivelany no mahamaika ny mpitondra. Ataon’izy ireo ambanin-javatra kosa ary tsy mety ahitam-bahaolana ny hanatsarana ny sosialy sy ny fiainam-bahoaka, mihorohoro ny olona satria tsy mandry fahalemana ny tany. Tsy hivaha izao krizy izao raha tsy mitodika amin’Andriamanitra ary mandala ny fahamarinana sy ny fihavanana ny Malagasy. Raha ny hevitry ny hetsika Masoandro Maraina, ka izay indrindra no anton’ny fampianarana sy fanazavan-kevitra atao efa ho olana maromaro izao, tsy mijanona eto Antananarivo izy io fa tena hitety toerana maro, ary tsy maintsy hotsidihana avokoa ny Faritra 22, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Araka ny fantatra moa dia efa eo am-panomanana sahady ny fitsidiham-paritra manaraka ry zareo ao amin’ny Masoandro Maraina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.