Politique

Maika ny Sinoa Misy safira ao Soamahamanina


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Ahiana ho misy ambadika zavatra hafa ny raharaha fitrandrahana volamena kasain’ny Sinoa atao any Soamahamanina.

 Fantatra mantsy, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mponina tany an-toerana, fa misy safira ihany koa any amin’iny faritra iny. Mahafantatra izany avokoa ny olona eto an-tanàna, hoy ny raim-pianakaviana iray saingy tsy natao nahoraka ny resaka mba isorohana ny firongatry ny olona tahaka ny nitranga tany Ilakaka.

Lafo vidy

Efa tena nisy mihitsy ny olona nitrandraka ary nahazo safira tany amin’io toerana io, araka ny fanazavan’ny mponina avy any an-toerana. Niezaka ny tsy hisehoseho ireto olona ireto ho fiarovana ny ain’izy ireo sy ny tsiambaratelon’ity safira ao Soamahamanina ity. Ankehitriny anefa dia io mirohotra tonga any an-toerana io ary milaza fa hitrandraka volamena ny Sinoa ary efa nitondra karazana fitaovana goavana sy maoderina. Na volamena na safira no trandrahana dia manahy ny amin’ny fahapotehan’ny tanindrazany sy ny tontolo iainany ny mponina any Soamahamanina ary tena mitaky ny ialan’ny Sinoa any an-toerana. Manizingizna anefa ireto farany fa manana taratasy ara-dalàna. Ny manitikitika ny saina amin’ny zavatra tahaka itony dia ny hoe : ampy tsara ve ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny mpitandro ny filaminana, ohatra ? Maro ihany mantsy ny resaka re manerana an’i Madagasikara fa tsy arakaraka ny taratasy natao sy nangatahana alalana ny zavatra trandrahan’ireo orinasa sasany fa tena zavatra hafa dia hafa mihitsy, izay harem-pirenena. Tsara ny manamarika fa vato anisan’ny mafy sy lafo vidy indrindra manerantany tahaka ny diamondra ny safira, ary lafo vidy lavitra noho ny volamena.

Indostrian’ny teknôlôjia avo lenta

Akora tena mafy ary fampiasa hanaovana fitaratry ny famantaranandro, fakan-tsary (appareil photo, caméra) ary tena miasa be amin’ny fanamboarana ny “ecran” an’ireo finday avo lenta (Smartphone) ny safira , ary ampiasaina ihany koa amin’ny tontolon’ny informatika sy ny teknolojia avo lenta. Indostria tena miroborobo fatratra maneran-tany ireo tato anatin’ny 15 taona ary i Chine dia tena mihazakazaka be amin’izany. Malaza ho tena tsara koa ny safira Malagasy ary raha ny tombantomban’ny manampahaizana sy mpahay toekarena dia avy eto Madagasikara ny 40%-n’ny safira hita eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mila fanadihadiana lalindalina kokoa noho izany ity raharaha Soamahamanina ity mba hahafantarana ny tena marina satria efa iaraha-mahalala ihany fa henjana amin’io hafetsifetsena amin’ny resaka fandraharahana io ry zareo Sinoa.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT