Politique

Mahery Lanto Manandafy « Sarotra no miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra »


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia mbola tena sarotra ny hialana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra hoy i Mahery Lanto Manandafy.

 

Marefo ny toekarena ary tsy maintsy mbola miankina amin’ireo i Madagasikara. Na dia izany aza anefa dia mila miezaka, hoy izy ny fitondram-panjakana ny amin’ireo ezaka maro samihafa miantraika mivantana amin’ny fampiaingana ny toekarena. Anisan’izany ohatra ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana satria mbola tsy salama izany eto an-toerana. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa hoy izy ny famokarana eto an-toerana sy ny fanondranana satria ireny no mampihodina haingana ny toekarena. Nasiany teny ihany koa ny mahakasika ny sandam-bola Ariary izay tsy mety tafarina hatreto. Rehefa mandeha tsara, hoy izy ny fandraharahana ary voasarika mampiasa vola eto Madagasikara ireo firenena vahiny dia ho salama ho azy ny sandam-bola Malagasy. Ankoatr’izay dia nanamafy ny tenany fa tsy maintsy ampitomboina be ny famokarana sy ny fanondranana hahatsara io sandambola Ariary io. iany rehetra izany no ezaka atao hialana tsikelikely amin’ireo mpamatsy vola saingy rah any amin’izao aloha dia mbola lavitry ny afo ny kitay.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT