Manahy ny amin’ny fifandraisan’ny samy malagasy ny minisitra teo aloha, mahazoasy Roger. Na dia teo aza ny fahatsapana amin’ny fahavononan’ny Frantsay hanampy ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena, hoy izy, dia mampanahy ny fifandrainantsika samy isika. araka ny kabarin’ny ambasadaorony teny Ivandry tamin’ny fankalazana ny fetin-dry zareo ny sabotsy 14 jolay dia mahatratra 30 000 ry zareo no monina eto Madagasikara ankehitriny. Ny antsika anefa banga be ny toerana tamin’ity. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, dia tazana teny Ivandry ny Pr Zafy Albert, tamin’io andro io anefa izy dia tsy tazana tahaka ireo mpanao politika hafa mpifanandrina ara-potokevitra tokony hifandamina sy hifandray tanana hamahana izao krizy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.