Tsy matoky ny fitsarana intsony ny vahoaka ka zary mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka. Tamin’ity herinandro ity fotsiny dia tranga telo no niseho tamina faritra samihafa.
Anisan’izany ny tao Morarano Kraoma izay namonoan’ny olona polisy namita iraka tany an-toerana nefa nahiahiana haka olona an-keriny. Nisy mpangalatra iray koa saron’ny Fokonolona tao Antsohihy izay notaperin’izy ireo avy hatrany ny ainy ary farany ity raharaha mavaivay ao Mandritsara ity izay itakian’ny vahoaka ny hanomezan’ny manampahefana ireo telolahy voarohorihy ho namono ny masera Marie Emmanuel Helesbeux mba hanaovana valifaty. Noho ny tsy faneken’ny fanjakana izay fitakian’ny mponina izay moa no nahatonga savorovoro ka nitarika ny fahafatesana tanora mpianatra iray ao Mandritsara sy 8 hafa naratra ka ny 1 voatery notapahana mihitsy ny tongony. Nanamafy ny minisitry ny atitany Rakotoarisoa Florent fa na dia tamin’ny fomba feno habibiana izay mampihetsi-po tokoa aza no namonoana ilay relijiozy tany Mandritsara dia tsy azo ekena mihitsy amin’ny tany tan-dalàna izany fitsaram-bahoaka izany. “Tsy fiarovana olo-meloka akory izany sanatria fa fanajana ny zon’olombelona. Aleo ny fitsarana hanao ny asany satria na ireo mpitsara aza anie tsy afaka hamoaka didy araka izay tiany fa tsy maintsy izay voalazan’ny lalàna ihany”, hoy ny minisitry ny atitany izay anisan’ny delegasiona tany Mandritsara nitsapa alahelo ny fianakavian’ny masera ao amin’ny Providence sy ny ray aman-drenin’ilay tovolahy maty voatifitra tamin’ny sakoroka nitranga taorian’ny fandevenana an’ilay relijiozy vavy.
Mitohy ny fifampiresahana
Araka ny tatitra azony avy any Mandritsara dia nitohy omaly ny fifampidinihana handaminana ity raharaha ity ka mitarika izany ny lehiben’ny Faritra Sofia, ny lehiben’ny Distrikan’i Mandritsara, ireo Sojabe, ny raiamandreny ary ny solotenan’ireo tanora tena manao ilay hetsika. Talanjona amin’ny korontana niseho ny andron’ny alarobia teo moa ny minisitra Rakotoarisoa Florent raha ny filazany satria efa nisy, hoy izy ny dinika nafana dia nafana niarahana tamin’ny solotenan’ireo tanora ireo tamin’ny talata hariva. Nilefitra ka tsy nitaky intsony ny fanaovana fitsaram-bahoaka an’ireo telo lahy voarohirohy ireo tovolahy nandray tamin’ilay fivoriana saingy nangatahan’izy ireo kosa ny fampahafantarana ilay miaramila nitifitra ka nahafaty ny namany. Nanome toky hanao fanadihadiana lalina momba an’io ireo delegasion’ny fitondrana tonga tany an-toerana ka nirava tamin’izay marimaritra iraisana izay ny roa tonta. Asa indray anefa no zava-nitranga fa torabato no nitsenan’ny tanora izay tombanana ho 14 sy 15 taona ny ankamaroany ireo minisitra efatra mianadahy raha nikasa handray fiaramanidina hitodi-doha aty Antananarivo izy ireo. Araka ny efa notaterina teto omaly dia voatery nandeha fiara nankao Antsohihy izy ireo ary tao vao nandray fiaramanidina. Nisy 16 kosa ireo tanora mpitarika io korontana io voasambotra araka ny nambaran’ny minisitry ny atitany ihany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.