Politique

Mahazaka Rabenandrasana « Tsy ho depiote voavidim-bola aho »


  • Zoma 15 Martsa 2019

Tanora vao erotrerony i Mahazaka Rabenandrasana, izay kandida solombavambahoaka mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana eny amin’ny Boriborintany I eto Antananarivo.

 

 

 Zanaka mpanao politika satria efa minisitra tamin’ny andron’ny fitondrana Ravalomanana ny rainy,  ary nisy ihany koa ny fianankaviana izay nisehatra teo amin’ny tontolo io. Fony kely izy araka izany dia efa nahitahita ny pitsopitsony, ary nandalina bebe kokoa ny serasera politika, diplaomasia,… taty aoriana. Nikoriana tao anaty foana ny politika ary tonga izao ny fotoana handraisana andraikitra, hoy izy.  Tsy olona voavidim-bola aho ka omena vola dia hifidy làlana tsy mifanaraka amin’ny eritreriny. Lalàna hampandrosoana an’i Madagasikara fa tsy tombotsoan’antoko na olom-bitsy no hojerena, raha ny heviny, ka izay no nisafidianany ho kandida mahaleo tena. Misy rahateo, hoy izy, ny lalan-jotran’ny antoko na ny “ligne directrice” tsy maintsy arahina, ka tsy te ho voagejan’izany ny tenany satria ny feon’ny vahoaka no hoentina fa tsy feon’antoko.  Mandray anjara kosa raha fiarahana sy fametrahana lalàna hanasoavana, fa tsy ho ao anatiny kosa raha hanao tahaka ny toy ny tamin’ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay nisian’ny kolikoly ireny. Tolo-dalàna isan’ny hatolony ny mahakasika ny zokiolona beantitra raha lany izy satria marefo izany eto Madagasikara : karatra maintso ho an’ny zokiolona toy ny amin’ny fandehanana ny fitateram-bahoaka, ohatra, satria marefo sy vizaka izy ireo. Hidina foana eny amin’ny vahoaka, tsy hanisy elanelanelana, hisy fivoriana foana isaky ny fokontany, hanao tatitra sy haka hevitra amin’ny vahoaka hatrany,... aho raha lany soa aman-tsara, hoy ity kandida ity. Momba ny hoe depiote mpanao lalàna fa tsy mpanao làlana kosa, dia tsy mahasakana hanao asa soa izany, raha ny heviny. Nilaza ny hitady làlam-bola ho an’ny boriborintany voalohany hanatsarana ny tontolo sosialy izy. Misy Koreanina, ohatra, efa niara-niasa tamin’ny rainy. Efa nanokatra sekoly ary nanohy fiaraha-miasa amin’ity kandida depiote ity. Tsy afaka hijanona fotsiny amin’ny lalàna, fa hitady làlam-bola sy handrisika ny fitondrana hanao ny asa fampandrosoana. Tia miara-miasa amin’ny tsirairay, tsy mametraka sakana ary miaraka amin’ny rehetra aho, raha fanatsarana ilay toerana nahavoafidy sy i Madagasikara. Ho avy, ary vonona matoa nametraka ny dosie ! Efa fanamby tamin’ny raiko mialohan’ny hahafatesany fa tsy maintsy handray andraikitra eto amin’ny firenena aho, hoy i Mahazaka Rabenandrasana!

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT