Nofoanan’ny Conseil d’Etat ny didim-pitsarana navoakan’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana mikasika ny fifidianana Ben’ny tanŕna tao amin’ny Kaominina Mahavanona, Antsiranana II tamin’ny 31 jolay 2015.
I Letsara Claude Rémi (AREMA) no nahazo ny ampaham-bato be indrindra ka voafidy tamin’io. I Avizara Manambola (MAPAR) no faharoa nanarakaraka azy. Laharana fahatelo i Ahamad Mohamed (HVM). Nitsimbadika ny voka-pifidianana ary dia i Ahamad Mohamed no nambaran’ny Conseil d’Etat, araka ny didy navoakany tamin’ny 25 desambra 2015 fa lany, taorian’ny fanafoanana vokatra tamina biraom-pifidianana sasany. Ny 6 jona 2016 teo no voatondron’ny taratasy avy amin’ny lehiben’ny Distrikan’Antsiranana II fa mandray ny asany ny Ben’ny tanàna vaovao. Misavorovoro noho io fanovana io ny any an-toerana. Raha tsy eken’ny fanjakana ny maha Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka an’i Letsara Claude Rémi, araka ny vokatra navoakan’ny CENI-T sy ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia mitaky ny hamerenana ny fifidianana Ben’ny tanàna any Mahavanona ny vahoaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.