Niaraha-naheno ny filazan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena na ny HCC Atoa Jean Eric Rakotoarisoa fa tokony hirosoana ny fifidianana governora.
Ny HCC ihany anefa no efa nankato sy nilaza fa tsy mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana ny fanovana sy fanendrena governora. Raha ny lalàmpanorenana ankehitriny, dia mazava fa tsy tendrena fa fidiana amin’ny alalan’ny latsabato andraisan’ny rehetra anjara ny lehiben’ny faritra araka ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenena, saingy io efa fanendrena io no nataon’ny fanjakana, izay efa nambaran’ny HCC fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Ankehitriny, dia mbola misy lehiben’ny faritra 12 tsy mbola voatendry. Raha ny voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2020 anefa dia tetibola ho ana faritra 23 na dia 22 aza no voafaritry ny lalàmpanorenana. Tsy tongatonga ho azy ireny tenin’ny filohan’ny HCC ireny. Manana andraikitra lehibe amin’ny fampanajana lalàmpanorenana io andrim-panjakana io, kanefa tsikaritra ho somary nisy hatrany didy politika satria manana andraikitra hiantoka ny filaminan’ny firenena ihany koa ny HCC. Karazana anjomara ho an’ny fanjakana ihany io eo anatrehan’ny fahatokisan-tena be loatra amin’ny fanapahan-kevitra indraindray toa mibaribary ny fandikan-dalàna. Adidin’ny HCC ny miaro ny fanjakana hisian’ny fitoniana, saingy mety hisy ihany ny fitsimbadihan-javatra rehefa mety feno ny kapoakan’ny lonilony politika. Efa io iaraha-mahita io, ohatra, ny krizin’andrim-panjakana hifanandrinan’ny loholona sy ny fanjakana foibe io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.