Politique

Maharante Jean de Dieu «Tsy zaza maditra izany izahay»


  • Alakamisy 24 Aprily 2014

«Tsy zaza maditra izany izahay raha niditra ato anaty fitondrana fa manaja ny soatoavina repoblikanina. Tsy afaka ny hanohitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy izahay nanohana azy tamin’ny fifidianana. Efa nifampiera izahay mpikambana Mapar nanohana ahy ho minisitra ireo. Tsy namitaka ireo vahoaka nifidy ahy tany Toliara aho raha nanaiky ho minisitra satria efa nambarako tamin’ny propagandy mazava tsara izany”.

  Tao amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa tetsy 67 ha no nilazan’i Maharante Jean de Dieu izany omaly nandritra ny famindram-pahefana nifanaovany tamin’ny minisitra Marcel Bernard. Nambarany fa hivoaka amin’ny 1 mey ho avy izao ny marikarama vaovaon’ny mpiasa tsy miankina Malagasy. Hiakatra 10,50% izany karama izany ary manan-kery manomboka ny 1 martsa 2014. Hisy koa ny fanisana mpiasam-panjakana mba hisorohana ireo mpiasa “matoatoa” ao anatin’ny 118.000 voaisa ankehitriny. Maro ny fampanantenana nataony toy hijerena ireo mpampianatra FRAM iantohan’ny fanjakana, ka andrasana ny fanatanterahana fa tsy ho am-bava fotsiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT