Misy hifandraisany ny fifidianana ny ho filohan地y fikambanana FIZAFATO (Fikambanan地y Zanaky ny Faritanin段 Toliara) sy ny raharaha mavaivay any atsimon地y Nosy, hoy ny kandid� Maharante Jean de Dieu na Bevata raha avy nihaona tamin段reo mpanohana azy fanindroany tetsy Ampefiloha izy omaly.
Mahatsapa izahay, hoy i Bevata, fa tsy dia mahafantatra ny tena zava-misy ny olona manapaka momba ny olana any aminay fa resaka ambony latabatra fotsiny. Tsy tongatonga ho azy anefa io resaka tsy fandriampahalemana sy Remenabila io, hoy hatrany i Bevata, fa karazan’ny fampahatsiahivana hoe : ahoana izahay aty no adino ? Tsy tsapan’ny olona mantsy ny fisian’ny fanjakana ka manjaka ny dahalo. Tolokeviny ny hananganana “Cercle de reflexion et d’action” izay sehatra iombonan’ireo manampahaizana rehetra hanolo-kevitra ny fanjakana, toy ny hoe : “ireto ny fiheveranay zanak’i Toliara ny vahaolana amin’ny tranga misy any aminay. Aleo apetraka ny fiaraha-miasa matotra, hoy hatrany i Bevata fa «aminay any dia mbola mipetraka ny hoe : olon-dehibe no mitondra. Tsy mbola eken’ny fiarahamonina any koa ny hoe vehivavy no mitondra».
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.