Manaraka hatrany ny fizotry ny toe-draharaham-pirenena misy, indrindra ny lafiny politika ny vahoaka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny faritanin’i Toliara iray manontolo.
Manoloana ireo toerana minisitra banga noho izy ireo kandidà filoham-pirenena ka tsy maintsy nametra-pialana dia manana zanaka mahafeno fepetra sy masontsivana i Toliara, hoy ny filazan’ireo solontenan’ny raiamandreny, ireo fikambanan-drazana, ny fikambanam-behivavy, ny tanora, eny hatramin’ireo mpitondra fivavahana sy firehana samihafa, nanambara fa «ny CST Maharante Jean de Dieu (Bevata) filohan’ny FIZAFATO sady manampahaizana manokana momba ny lalàna dia anisan’ny mahafeno fepetra, noho izy olon’ny fampihavanana sy fandrosoana ary mpampivondrona».
Toy izao no votoatin’ny fanambaran’izy ireo nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly : «mangataka amin’ny fanjakana tetezamita, indrindra ny filoha Rajoelina izahay avy aty amin’ny faritanin’i Toliara mba hanendrena an’i Maharante ho minisitra satria i Bevata dia zanaka atokisanay hanavotra indray ity faritany manankarena voalaza fa mahantra lava sy fasan’ny tetikasa ity». Tsiliantsofina sy loharanom-baovao akaikin’ny fitondrana tetezamita no nandrenesana fa i Maharante Jean de Dieu no hisolo ny toeran’ny minisitry ny Fitsarana, fa ity farany hafindra ministera hafa.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.