Tsy nihambahamba ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady filohan’ny FIZAFATO (FIkambanan’ny ZAnaky ny FAritanin’i TOliara) Maharante Jean de Dieu, nilaza fa ny minisitry ny vola teo aloha Hery Rajaonarimampianina no tohanany amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 25 oktobra. Nambarany fa tsy tsangan’olona fa ny fahaizamanao (?) no naharesy lahatra azy. Tonga nanome voninahitra ny tsinjaka bevata nataon’ny FIZAFATO Tolagnaro ny tenany ny zoma lasa teo, ka tamin’izany no nanaovany antso ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka hifankatia sy hilamina manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.