Politique

Mahantra loatra i Betioky Atsimo Hitondra vahaolana aho, hoy ny kandida Hery Jacques


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Mahantra ny vahoakan’i Betioky Atsimo ary tena kere ny olona. Lainga ny filazan’ny olona sasany fa mamiratra i Betioky, hoy Ramanjakamiadana Hery Jacques kandida solombavambahoaka atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara any amin’ity distrika ity.

 

Laharana faha-3 no misy azy ao amin’ny bileta tokana. Ny vidin’ny vary amin’izao dia ambany na 500-600Ar eo aza, kanefa tsy takatry ny olona. Ny ondry na osy dia 20.000-30000Ar fa tsy taka-bidy. Ny fambolena potiky ny valala, ary vary mora vao mainka mamotika no ataon’ny mpitondra fa tsy mba tosika ara-pitaovana sy ara-teknika tahaka ny tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana, hoy izy. Tombony ho ahy ny maha kandidan’ny TIM ahy. Nanomboka ny taona 2002 aho tao foana fa tsy nivadika. Nanaja hatrany ny etika politika fa tsy tahaka ny mpifaninana sasany hoe: TIM no teo dia TIM izy, loranjy no teo dia loranjy, manga no teo dia manaraka izay loko izay. Misy ny mpifaninana efa minisitra nanomboka ny taona 2003-2018, saingy tsy nisy zava-bitany. Nihodinkodina tamin’ny fiara tsy mataho-dalana no tena nataony ka na ny sekoly toy ny EPP ao Betioky Centre aza potika, ny tsena efa tsy fanao ianao fa tsy mba norarahiana. Hitondra zava-baovao aho, ary tsy hamerina ny hita fa tsy nety, hoy izy. Efa misy ny paikady sy toromarika nomen’ny filoha Marc Ravalomanana, ka ny soa iombonana no zava-dehibe ho anay, hoy ity kandida ity. Rivo-baovao hoentinay ny hanova ny Lapan’i Tsimbazaza ho Lapan’ny olo-mendrika fa tsy ho Lapan’ny malety, fa tena hitondra ny hetahetam-bahoaka avy any amin’ny distrika misy anay.

Toky R      

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT