Politique

Mahamaika sy ny laharam-pahamehana Tsy hain’ny fanjakana avahana


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Mizotra nilamina ny fiainam-pirenena na dia efa manomboka miseho tsikelikely aza ireo fitarainana maro samihafa.

 

 Tsy mihodina araka ny tokony ho izy ny asam-panjakana fa niova fotsiny ny lehibe mpitantana ka mampihisatra ny fivoahan`ny vola ampihodinana ireo sampandraharaham-panjakana. Niova daholo ny ekipa, indrindra eo amin`ny fitantanam-bola ka tsy misy vola mivoaka amin`ny fampandehanan-draharaha. Ny zavatra hita dia mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Tsy milamina ny tany, tsy voajery ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana kanefa efa iaraha-mahita fa resaka sehoseho ivelany hatreto no tena mibahana. Maro no mahamaika toy ny fametrahana ireo rafitra rehetra sy ireo rantsamangaika miankina amin`ny fanjakana toy ny faritra, governora, fokontany… Maro ireo zavatra azo tanterahina ao anatin`ny fotoana fohy, toy ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana  mba hamerenana haingana ny filaminam-bahoaka. Apetraka sy hamafisina isaky ny faritra mena rehetra ny mpitandro ny filaminana hisorohana ny asan-dahalo. Aparitaka eny anivon’ny fiarahamonina ireo mpitandro ny filaminana hisorohana ny asan-jiolahy sy ny fampihorohoroana ary ny fakana an-keriny. Ampitomboina ireo mpiasan`ny fahasalamana, indrindra eo anivon`ireo CSB manerana ny nosy, fanatsarana ny tontolon`ny mpampianatra, fizarana kara-tany faobe sy fametrahana tribonaly akaiky vahoaka hiarovana ny tompon-tany izay mpamboly ny ankamaroany. Eo amin`ny toekarena, tokony hampiana ny mpandraharaha hivondrona hahazo “crédit à taux intérêt” ambany hahafahany mivelatra amin`ny asany. Mila mametraka fifampitokisana eo amin`ireo olom-boafidy eny ifotony sy ny fitondrana foibe. Miandry fanovana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny vahoaka eo amin’ny fanatanterahana ireo tanjona stratejika mandrafitra ny programan’asam-panjakana. Ho hentitra ny fanaraha-maso ny amin’ny fampiasana ny volam-panjakana mba hisorohana ny fandaniam-poana sy ny gaboraraka.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT