Nahazoana vaovao ny mikasika ny firotsahan-kofidiana ben’ny tanàna tao amin’ny renivohi-paritany anankiroa, dia ny tany Mahajanga sy Toamasina.
Roa andro mialoha ny hikatonan’ny vaomiera mandray ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana eny anivon’ny distrika manerana ny nosy na ny Ovec, tsy mbola nisy kandidà na iray aza nametraka taratasy momba izany. Ho an’i Toamasina manokana, araka ny vaovao voaray, tsy nisy kandida nametraka taratasy. Ny antony, hoy ny fanazavana, dia mety miandry amin’ny ora farany amin’ny alakamisy izy ireo. Ho an’i Mahajanga tampon-tanàna kosa indray, mahatratra 42 ireo kandida no naka ny andininy sy ny antontan-taratasy ilaina, hatramin’ny nisokafan’ny vaomiera eo anivon’ny OVEC raha ny tatitra azo. Misy amin’ireo no mahaleotena ary misy miaraka amin’ny antoko politika. Mbola mijery andro tsara hanaterana ny taratasy momba izany, angamba ireo kandidà. Eo koa ny mety ho anto-bola ilaina amin’izany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.