Politique

Mahajanga Nandrehitra afo Rajoelina


  • Talata 20 Desambra 2011

Fampandehanan-draharaha sisa no misy ao amin’ny Kaominina Mahajanga.

 Nitokona nanomboka omaly ny mpiasa. Resaka karama no fototry ny olana. Niteraka safotofoto eo anivon’ny mpiasan’ny Kaominina mantsy ny zava-nitranga nandritra ny lanonam-pitokanana fotodrafitrasa an’ny oniversiten’i Mahajanga ao Androva ny zoma 16 desambra lasa teo. Tonga tany ny filohan’ny FAT, Rajoelina Andry Nirina. Nampanantena ity farany fa handoa karama iray volana araka ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana, Andriatomanga Mokhtar Salim. Teo no nisy tsy fifankahazoan-dresaka. Nitaraina ny Ben’ny tanàna, tao anatin’ny kabariny, fa enim-bolana ny karaman’ny mpiasa tsy mbola voaloa. Efa nanao izay ezaka vitany anefa ny Kaominina nandoavana ny karama iray volana ary eo andalam-pamahana ny iray volana manaraka, miandry ny fanampian’ny fanjakana kosa izy ireo hanefana ny volana fahatelo, dia mba hiezahan’ny Kaominina amin’ny 2012 ny ambiny. Mihevitra i Andry Rajoelina fa karama iray volana no tsy voaloa, ka nanambarany ampahibemaso fa horaisiny an-tanàna.

Nivadika anefa ny rasa rehefa tonga tany amin’ny toerana nisakafoanana, taorian’ny fitokanana, fa dia noraisin’ny manampahefana ho famitahana ny nataon’ny Ben’ny tanàna milaza fa voaloa ny karaman’ny mpiasa ka iray volana sisa no ilana fanampiana. Nazava anefa ny zava-boalazan’i Mokhtar Salim tamin’ny kabariny, fa enim-bolana ny karama tsy voaloa fa efa nanao ezaka ny Kaominina tantanany nandoavana ny iray volana, an-dalana ny fandoavana volana manaraka, fa ny volana fahatelo, amin’io trosa tsy voaloa io, dia takian’izy ireo ny hanafainganana ny fandoavan’ny fanjakana ny “subvention” mitentinta 100 tapitrisa ariary fanohanana ny Kaominina, izay efa nampanantenaina azy ireo fa haloa tamin’ny volana oktobra 2011 teo.

Vokatr’io dia nitatra ho fiampangana ny Ben’ny tanàna ho mpandainga ny raharaha ankehitriny, ary dia nahazo vahana ireo andian’olona mikendry ny toerany, mitaky ny hanendrena PDS hitantana an’i Mahajanga. Nanome 24ora ireto farany handoavana karama io. Nisy ny sorabaventy mitaky ny fialan’ i Mokhtar Salim koa tazana teo anoloan’ny Kaominina omaly. Mirehitra indray ny afo, araka izany, ao Mahajanga ao.
Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT