Nilaza ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena tao amina onjampeo tsy miankina iray eto an-drenivohitra, omaly i Mahafaritsy Samuel, filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ary efa masoivoho malagasy tany Alzeria.
Nisintaka tao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, teo aloha ny tenany, noho ny tsy fitovian’ny fomba fijery ka nitarika fifandirana tamin’ireo mpitantana sasany, araka ny fanazavany. Mitarika ny antoko Malagasy Miray moa izy ankehitriny ary tsy manana toerana na seza ao anatin’ny fitondrana tetezamita mihitsy no sady tsy anatina ankolafy politika koa. Tokana ny lalana hivoahana amin’ny krizy dia ny fifidianana, ary raha ny hevitr’i Mahafaritsy Samuel dia ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hatao mialoha. Tsy maintsy miresaka tsara sy mifandamina anefa isika samy Malagasy vao miroso amin’izany fifidianana izany, hoy izy. Manoloana ny fihetsiky ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia nitsotra izy fa isika Malagasy mihitsy no mila sahy mijoro sy manapa-kevitra, fa rehefa miray hina isika ka mahavita zavatra mety sy tsara dia mangina ho azy ny iraisam-pirenena, hoy izy. Fa matoa isika lalaoviny sy ampiresahany tahaka izao dia tsapan’ireo vahiny ireo fa mizarazara sy mifanenjika isika hoy i Mahafaritsy Samuel.
Andihizan’ny sehatra iraisam-pirenena isika, hoy ihany ity filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity satria tsy sahy manapa-kevitra ny amin’ny tena tiantsika atao sy ny hoavintsika. Tsy maintsy ny vahoaka no tompon’ny teny farany, ka izany no tsy maintsy hanaovana fifidianana, hoy izy. Tena mila fahavononana ara-politika goavana anefa ny fiatrehana an’izany. Ny tsikaritra anefa hoy hatrany i Mahafaritsy Samuel dia misy foana ny kajikajy any ambadika any ataon’ny mpanao politika, misy ny tia tena, misy ny tia fahefana hany ka mora ho an’ny vahiny avy eo ny mampiady antsika, dia io fa tsy mety mivaha ny krizy, hoy hatrany izy. Nametra-panontaniana moa i Mahafaritsy Samuel nanao hoe : afaka nilalao antsika tahaka izao ve ny sehatra iraisam-pirenena, raha toa ka nanao fanambarana iombonana ireo kandida 41, hoe avelao izahay hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary aleo ny vahoaka Malagasy no hitsara ?
Ny mahagaga ihany koa hoy ity diplaomaty sady mpanao politika ity dia, tsy nisy ny resabe raha namoaka ny lisitry ny kandida ny CES ny 3 mey, fa rehefa niteny kosa ireo fikambanana iraisam-pirenena, izay vao be vava ny mpanao politika Malagasy, ary dia misy ny manara-drenirano fotsiny. Nandroso hevitra ny amin’ny tokony hifampidinihana sy hifampiresahan’ny samy Malagasy i Mahafaritsy Samuel. Manohana ny dinika ataon’ny FFKM izy ary mihevitra ihany koa fa hohatsaraina ny tondrozotra mba hahafahana mivoaka amin’ny krizy. Ny lojika, hoy izy dia ampiharina tanteraka aloha ny tondrozotra, amin’ny andininy rehetra, izay vao miroso amin’ny fifidianana, ka izay no ilana ilay fifampiresahan’ny samy Malagasy. Milaza ny hanohana izay kandida mahasoa ny vahoaka sy ny firenena i Mahafaritsy Samuel sy ny antoko tarihany, saingy amin’ny fotoana manaraka vao hanambara amin’ny fomba ofisialy ny anaran’io kandida io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.