Politique

Mahafaritsy Samuel «Avelao ny CES hiasa malalaka»


  • Zoma 03 Mey 2013

Razakanirina Mahafaritsy Samuel, ambasadaoro Malagasy tany Algérie, filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Iray, no vahiny miSOKELA anio. Manana ny heviny izy manodidina ny raharaham-pirenena ankapobeny, indrindra ny amin’ny fifidianana ho avy, ka nilazany fa avelao hiasa malalaka ny CES na ilay Fitsarana manokana misahana ny fifidianana.

 Tia Tanindrazana(TT) : Misy ambasadaoro roa nirotsaka kandida, nahoana ianao no tsy nilatsaka nefa manana ny antoko MIray ?

Razakanirina Mahafaritsy Samuel (RMS) : Vokatry ny fanirian’ny namana avy amin’ny Faritra 22 sy noho ny fivakisana teo anivon’ny antokon’ny filoha teo aloha dia nanapa-kevitra izahay fa tsy hiditra amin’ilay fifandirana ka nanangana ny antoko “Malagasy Iray” ahafahana mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena ary fiaraha-miasa amin’izay mitovitovy hevitra sy tanjona koa. Ara-dalàna ny “Miray”, araka ny didim-pitondrana laharana 9405-2013. Tsy nandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena izahay satria rehefa nojerena ny zava-misy dia mbola betsaka ny zavatra mampiahiahy noho ny tsy fisian’ny fanjakana marin-toerana, ny adilahy politika. Na dia manana olona amin’ny faritra rehetra aza izahay dia tsapanay fa haingana loatra raha hifaninana filoham-pirenena. Izay koa no ahiahinay amin’ireo kandida be dia be satria olona efa nilomano tao amin’ny tontolo politika mifantoka amin’ny fampandrosoana fa tsy politika politisianina no tokony ho filoham-pirenena, izany hoe mahafantatra ny resaka fampandrosoana, mahay mihaino ny feon’ny vahoaka ary mahay mitondra. Tsy voatery nianatra “science politique” anefa satria tsy misy sekoly manofana momba izany eto. Firy amin’ireo anefa no novolavolaina tao anaty antoko ? Ary raha ny iray amin’ireo no lany eo dia inona no zavatra hitranga ? Tsy mino aloha izaho hoe hisy ho lasa filoham-pirenena ireo. Aleonay mijanona ho arofanina na manohana kandida mamaly ny hetahetan’ny vahoaka. Efa fantatra anie ny hevitry ny olona momba izay vato harotsany ary manomana ny fanapahan-kevitra momba izany izahay izao.

TT : Miaraka amin-dry Raharinaivo ao amin’ny “FI-TIM” ve izany ianareo ?
RMS : Tsia

TT : Mamaly ny antson-dRavalomanana hanohana an’i Neny izany ?
RMS : Manakaiky izay ny fanapahan-kevitray amin’izao. Amin’ny maha antoko ara-dalàna ny “Miray” dia miandry ny famoahan’ny CES ny lisitr’ireo kandida nekena ny filatsahany izahay vao manao dinikasa anatiny ary aorian’izay vao manao fanambarana ofisialy momba izay kandida hotohanana.

TT : Misy kandida nitsoaka an-daharana satria manahy ny hisian’ny korontana izy aorian’ny fanambaran’ny CES. Ahoana ny fijerinareo izany ?
RMS : 50/50 izany hoe sady mitovy hevitra aminy izahay nefa mitsipaka koa amin’ny lafiny iray. Ny fanirianay dia hisy ny fifidianana ary tokony ho kandida ilay olona heverinay hotohanana. Nefa koa raha sanatria ahiana hiteraka korontana ny fifidianana dia mankasitraka ny hevitry ny FFKM izahay amin’ny resaka fampihavanana. Milaza isika fa manana soatoavina Malagasy sady firenena kristianina nefa tsy sahy mihavana. Aiza izany ilay soatoavina ? Mazava tsara ao anaty foto-kevi-dehibe ijoron’ny antokonay mihitsy ny fahatahorana sy fanajana an’Andriamanitra Andriananahary. Tsy lany olomanga i Madagasikara fa mila olona marina sy matahotra an’Andriamanitra.

TT : Aminao inona no fanatsarana tokony hapetraka ao anaty Tetezamita hatsaraina izany ?
RMS : Mitovy ihany na Tetezamita vaovao na Tetezamita hatsaraina. Miainga amin’ny fiaraha-mitantana any amin’ny faratampony mipaka amin’ireo an-tanatohatra sy ny fampitomboana ny sehatra ahafahana mifampiresaka sy mifampihaino. Ilay «rapport de force politique» no atao izay hitovizany mba hampifandanja ny adihevitra sy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Misy olona nifanandrina teto dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ka samy tsy misy atao mpanapa-kevitra izy ireo amin’izay. Faharoa dia avela mody i Marc Ravalomanana satria amin’ny fomba ahoana moa no ihavanana nefa sarahan’ny elanelan-tany. Rehefa tontosa ny fampihavanana dia tokony samy afaka mirotsaka ny rehetra. Izaho moa dia tsy nankasitraka velively ny “ni …ni” satria fanakanana ny Malagasy tsy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena izany sady fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy koa satria misy olona atahorana ho lany.

TT : Nilaza koa Rajoelina fa fandikana io «ni… ni» io ny firotsahan’i Lalao Ravalomanana ?
RMS : Safidin’izy mianaka no tsy nirotsaka raha ny fahalalantsika. Heveriko fa nisy fifanarahana miafina tamin’ny roa tonta momba io resaka io fa tsy fantatsika satria tsy voasoratra. Amiko anefa dia tsy mitombina ny filazana fa fandikana ny “ni…ni” io satria voalohany dia tsy nirotsaka i Marc Ravalomanana, faharoa tsy hiverina izy raha tsy vita ny fifidianana ary fahatelo dia mandray anjara amin’ilay dingana famahana ny olana “processus” izy amin’ny alalan ‘ny firotsahan’ny vadiny. Misy fahavononana ara-politika goavana nasehony izay tokony hasian’ny CES vidiny amin’ny fanapahan-keviny na dia resaka politika aza izany. Marina fa ny lafiny ara-lalàna no sahanin’ny CES nefa tsy azo odian-tsy hita io resaka io satria mitondra fitoniana koa.

TT : Misy milaza fa noho ny kandida tohanan-dRajoelina ratsy toerana amin’ny tsapa-kevitra “sondage” no mahatonga azy mitady handrava ny Tetezamita izao ?
RMS : Tsy manana vaovao azo antoka momba izany izahay ka tsy afaka hiteny. Sarotra koa ny hitsara ny kandidan’olona, izahay rahateo koa tsy mbola naneho hevitra momba izay kandida tohananay. Izahay kosa anefa dia efa nihaino ny feon’ny vahoaka ka izay hitanay fa andrasan’ny vahoaka no hotohananay. Sarotiny ny tenako amin’ny fitsabahan’ny masoivoho vahiny amin’ny raharaham-pirenena nefa koa tsy mety amiko raha misy fifanoherana goavana be amintsika sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

TT : Efa masoivoho tokoa ianao, ahoana ny fahitanao ny fidirana masoivoho vahiny lalina amin’ny raharahan-tokantranon’ny firenentsika ?
RMS : Efa masoivoho ny tenako ka raha tany Algérie aho no namoaka hevitra politika momba ny firenena iray dia azo antoka fa olona tsinontsinona “persona non grata” no toerako satria manana ny fiandrianany ilay firenena. Noho isika efa nampiditra ny firaisambe iraisam-pirenena handamina ity krizy ity anefa dia efa nanala ny ampahany amin’ilay fiandrianana. Mila manana fandeferana izany isika fa ireo vahiny koa dia tsy tokony hanao teny tsy voahevitra.

TT: Iverenena ny resa-pifidianana. Na dia hihena aza ny isan’ny kandida dia mbola ho lava ny bileta tokana. Sao dia mba karne kokoa no mety ?
RMS : Izaho dia tsy mankasitraka mihitsy ny bileta tokana satria ny firenena mandroso dia tsy misy mampiasa an’io. Isika firenena mahantra na firenena miady ihany no mampihatra azy. Tsy mety ny karne satria mety misy milatsaka ny takelaka iray nefa manimba zavatra be izay. Ny soso-kevitro dia averina amin’ilay mahazatra ihany io fa ny CENI-T no miantoka ny fanaterana ny biletan’ny kandida tsirairay any amin’ny birao fandatsaham-bato. Na koa ny bileta tokana no ampiasaina amin’ny fifidianana fihodinana voalohany fa ilay bileta mahaleotena kosa no ampiharina amin’ny fihodinana faharoa.

TT : Manana hafatra hampitaina ve ianao hamaranana ity resadresaka ity ?
RMS : Aoka isika vahoaka samy ho tony sy hampahatsiahy ny mpanao politika akaiky azy ny fitiavan-tanindrazana ka tsy hanao kabary am-bavahady fotsiny izy ireo fa tena hikatsaka ny fampandrosoana. Avelao koa ny CES hiasa malalaka. Olona nianatra sady tia tanindrazana ireo ary mahafantatra izay mahasoa ny firenena. Hanimba zavatra mantsy ny fahadisoam-panapahan-kevitra. Izaho mino fa hijery izay tombontsoa ambonin’ny firenena tokoa izy ireo na dia ambonin’ny tohan-kevitra araka ny lalàna aza. Ny lalàna dia natao aroriaka hanasoa ny firenena fa tsy hisakanana olona iray.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT