Ankamantatra ! Ombay mitady ny praiminisitra Mahafaly Olivier ! Tsy misy vaovao ofisialy mivoaka momba azy, nefa izy niala teto Madagasikara, efa hatramin’ny faran’ny herinandro.
Tsy fantatra ny toerana nalehany ary tsy mbola hay koa izay fotoana hiverenany fa dia honohono sy resaka andalan-tsara avokoa no heno. Izao anefa no fivoahana voalohany an’i Madagasikara nataony, taorian’ny nanendrena azy ho praiminisitra lehiben’ny goverenemanta tamin’ny 10 aprily 2016. Dia manokana sa raharaham-panjakana no nivoahany an’i Madagasikara ? Iza no miantoka ny fandaniana amin’izany ? Ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny raharaham-pitantanana ny firenena toy izao no mahatonga ny tsikera variraraka miantefa amin’ny mpitondra sy isian’ny ahiahy tsy ihavanana samihafa, indrindra manoloana ireny fanamarihana sy fanankianana nifanesy nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka katolika eto Madagasikara sy ny FFKM tamin’ny volana aprily lasa ireny. Teo am-piandohana dia Nouvelle Guinée no heno fa firenena nandehanan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier. Inona no halehany any ? Loharanom-baovao hafa indray anefa no milaza fa nandalo an’i Parisy (Frantsa) avy eo nihazo an’i Singapour i Mahafaly Olivier. Tsy misy filazana ny anton-dia fa ny mby ao an-tsaina avy hatrany dia ny fisian’ny raharaham-pitsarana momba ny andramena avy aty Madagasikara giazana any an-toerana, raha vao miresaka Singapour. Handamina io raharaha mahavoasaringotra Malagasy am-polony io ve no diany any sa zavatra hafa ? Vao herinandro vitsy rahateo ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina no tany, ary ny fampitam-baovao naparitaka tamin’ny haino aman-jery dia hoe nitady mpampiasa vola ho avy aty Madagasikara no diany tamin’izay. Koa raha lasa any indray koa izao ny Praiminisitra Mahafaly Olivier, azo antoka aloha fa tsy hitsangantsangana fa misy anton-dia na iraka ampanaovina azy any. Inona izy io ? Andrasana aminy ny valiny, amin’ny anaran’ny mangarahara !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.