Taorian’ny fizarana nofonkena mitam-pihavanana tamin’ny mponin’Ambodirano ny herinandro lasa teo, Fokontany ipetrahan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, dia hitohy amin’ny Fokontany hafa eny Ivato izany amin’ny sabotsy ho avy izao. Ho an’ny mpanara-maso dia te hanonitra ny fahavoazan’ny antoko eo amin’ny f
itondrana Hery Vaovao ho an’i Madagasikara misy azy, tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay 2015, i Solonandrasana Mahafaly Olivier dia manao pi-maso hambaboana ny vahoakan’Ivato. Etsy an-kilany, dia mety ho tetika hampitoniana ireo tsy faly ka mitady ho sendaotra manoloana ny fandravana trano hiseho eny an-toerana ateraky ny fanatanterahana ilay lala-migodana miainga eo Tsarasaotra, Boriborintany faha-5 Antananarivo Renivohitra mipaka eny Ivato.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.