Hitodika eny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny mason’ny mpanara-baovao anio
. Hotanterahina anio alarobia 13 aprily mantsy ny famindram-pahefana eo amin’ny praiminisitra teo aloha, ny jeneraly Ravelonarivo Jean sy ny vaovao vao notendrena ny alahady 10 aprily teo, hisolo toerana azy, Solonandrasana Mahafaly Olivier.
Hanao ahoana ny ambiansy eny Mahazoarivo anio ? Izay no fanontanian’ny maro. Narisarisa mantsy ny fifandraisana teo amin’i Mahazoarivo sy Anosy taorian’ny fotoana namparary an’i Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana tao anatan’ny governemanta Ravelonarivo ihany, ka nampidirana hopitaly azy tao amin’ny HJRA tamin’ny 6 martsa 2016 iny avy eo nalefa maika notsaboina tatsy amin’ny nosy La Réunion ny 8 martsa 2016. Nifamahofaho be ny resaka tamin’ny fotoana mbola nitsaboana azy tao amin’ny HJRA, fa hoe : nosakanan’ny fianakavian’ny minisitra Mahafaly Olivier tsy hamangy azy tao amin’ny hopitaly ny praiminisitra. Niditra an-tsehatra ny talen’ny HJRA sady mpanolotsaina teknikan’ny praiminisitra, Pr Razafimahandry Jean Claude, nitondra fanazavana tamin’ny haino aman-jery fa nalalaka, afaka namangy ny minisitra avokoa izay tonga tao. Favazavana izay fantatra fa tsy nahafaly ny tao Iavoloha. Ny zava-nisy tokoa, dia tsy niherina ny andro nitondran’ny Pr Razafimahandry Jean Claude izay fanazavana izay dia nesorina tsy ho talen’ny HJRA ny tenany, nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 16 martsa 2016. Tsy nahafaly ny mpitsabo sy ny mpiasa tao amin’ny HJRA ny fanesorana ny tale io, izay nosokajian’izy ireo ho fanapahan-kevitra politika. Hisy hanapongatra io resaka io anio, sa efa navalona homba ny lasa. Manahy ny maro fa hafanafana eny Mahazarivo anio, mba tsy hilazana fa mety hifampihafahafa ny mpiara-dia amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Handray fitenenana farany amin’ny maha praiminisitra azy moa ny jeneraly Ravelonarivo Jean anio, mandritra ny famindram-pahefana hotanterahina eny Mahazoarivo ka miankina amin’izay ambarany eo ny tohiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.