Politique

Magro ”Tapi-dalan-kaleha ny FAT”


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Efa vita ny momba ny fitondran’i Andry Rajoelina, hoy ny pastera Edouard sy Guy Maxime Ralaiseheno.

Antomotra ny faharavan’ny FAT, hoy izy ireo. Tsy mitombina, hoy izy ireo ny filazan’ny jeneraly Andrianafidisoa tao amina fahitalavitra iray fa fitiavana sy fizaram-bola no mbola maha eo ny Magro satria ho azy ireo dia “fitiavan-tanindrazana no mbola mampijoro ny vahoaka ao hatramin’izao”. Ankoatra izay dia nambaran’izy ireo fa tsy misy vahaolana ho an’i Madagasikara afa tsy izay tapaka tany Sandton ihany. Mazava kosa ny tenin’i Manandafy Rakotonirina. Tapi-dalan-kaleha ny FAT ary lany lainga. Roa taona izay, ka tsy lasa intsony, hoy ny filoha nasionalin’ny MFM. Dinika an-databatra boribory no ilaina fa tsy fanonganam-panjakana vaovao indray, hoy kosa ny printsy Elakovelo. Fifidianana no hiafaran’ny tolona, araka ny fanazavany. Ho avy eto ihany koa ny solontenan’ny Troika, raha ny fanazavana ihany. Nameno ny kianjan’ny Magro vahoaka tamin’io sabotsy io.
 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT