Vaovao lehibe nahafaly ny mpitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alakamisy 3 jolay, ny fanambarana nataon’ny mpitari-tolona Ralaivao (Toamasina) fa tanteraka tsy misy raorao ny hetsika famelomana ny tolona tao amin’ny Magro Toamasina na dia iray aza sisa ny mpitarika tavela....
Nampian-dRtoa Pauline avy any Toamasina ihany izany tamin’ny filazana fa nety ilay hetsika hiragasy tao Toamasina . Mandeha ny resaka fa manimba ny asan’ny ankolafy Ravalomanana ny komity manohana ny fampodiana an’i Marc Ravalomanana. Mifampiankina ny asa ary manampy ny zokiolona sy ny very asa ao Toamasina ny komity. Ny tolona dia tsy hijanona raha tsy misokatra ny asa sy ny haino amanjery nakatona, hoy izy. Nofaranan’Atoa Justin izany fanambarana izany tamin’ny filazany fa tsy nahamenatra ny hetsika natao tao Toamasina. Hafahafa ny nihaino ilay invitation azo ary efa betsaka ny nitotorebika fa ho avy amin’izay ny filoha Ravalomanana. Raha ny lalàna tokoa no jerena dia tsy misy sakana satria zony tanteraka ny miverina, izy rahateo Malagasy ray sy reny, zon’olombelona izany. Raha ny “code penal” dia tsy misy koa ary Ravalomanana manaja ny lalàna sy ny fifanekena ary ny nosoniavina. Izay “principe” izay no hanohanana an-dRavalomanana ary tsy misy fepetra ny fodiany nefa dia mbola fampiesonana no hita na dia efa tsy eo aza Rajoelina fa hery vaovao, fiainana vaovao, mampiresaka ihany, tandremo anefa fa ny Malagasy manam-panahy. Ny tompony niteraka azy averina dia miroborobo ny AGOA dia velona ny Tiko. Anaty fahoriana tanteraka izao ny Malagasy ary Tomasina dia tsy milamina. Hampodio Ravalomanana hampandroso an’i Madagasikara ary aza ela.
Miaraka miresaka dia miara-mampandroso ary antsika ny firenena fa tsy iarahana ka raha te hahazo tsodrano amin’ny vahoaka dia aza miray petsapetsa amin’ny vahiny omena tombontsoa manokana, fotoana fangalana lesona ho anareo mpitondra izao, hoy kosa i Zafilahy Stanislas.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.