Politique

Magro Mitohy hatrany ny tolona


  • Alakamisy 08 Desambra 2011

Miady hevitra, mifanao tenierana izahay rehetra anatina andrim-panjakana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny senatera Rakotoamboa Jean Louis.

 Araka izany dia mandeha avokoa ny adihevitra, ary tenierana tsara sy mirindra avokoa ny tolona na eo anivon’ny governemanta, na ny CT na ny CST. Ny dingan’ny tolona amin’izao dia ny fametrahana ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy. Tsy hisy anefa izany, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TEZA raha tsy mitovy ny hery ka izay no nanaovana ny fitoriana eo anivon’ny Filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana na ny CPS. Na misasaka aza anefa ny fahefana dia tsy maintsy harindra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ankolafy telo satria tsy maintsy miara-miasa. Ny tanjona dia ny fiaraha-mitantana ny tetezamita.

Raha ilaina ny hampikatsoana ny asam-panjakana sy ireo andrim-panjakana isan-tokony dia azo atao izany satria efa ao anatiny isika, hoy izy nanoloana ireo vahoaka tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Raha ny vaovao ihany dia nilaza am-bava ny mpiandraiki-draharaha amerikanina eto fa misy tsy tokony hiverina minisitra satria managadragadra olona fahatany kanefa dia naverina ihany. «Raha hibolilalila toy izao ireo dia ho hitantsika eo ny hanaovana azy. Ireo olona ireo dia manana dosie maloto ka ho hitantsika eo !», hoy ihany ity senatera taloha ity. Nampian’ny depiote Rodin Rakotomanjato moa fa dia tsy mihevitra izany fianam-bahoaka izany ireo olom-boatendry mameno trano ireo na dia mody midradradradra aza fa mijaly ny vahoaka. Tsy hangataka tapa-bolana na roatokombolana isika ny amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana fa faran’izay haingana ary ireo gadra politika dia takiana ny hamoahana azy ireo ato anatin’ny herinandro. «Ady ity !», hoy izy nanentana ireo vahoaka.

Nambaran’ity olomboafidin’Itasy ity fa dia mbola hisy zavatra hiseho ato anatin’ny roa andro. Nambaran’i Zafilahy Stanilas moa fa dia efa leo ny fitaka ataon’ny FAT ny Malagasy ka ny Ankolafy telo izay tsy mivaky na mipatitaka dia hanao ny paikady rehetra handavoana an’i Andry Rajoelina tsy hitondra ny tetezamita. Araka ny fantatra dia hanao tatitra mandrakariva amin’ny vahoaka ireto olona voatendry ho CT sy CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ireto. Hisy koa lamina hapetraka amin’ny fitarihana ny tolona eny an-kianja. Tolona izay tsy hifarana raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT