Politique

Magro Behoririka Vohay ihany koa haino aman-jery nakatona


  • Zoma 25 Jolay 2014

Manaraka akaiky sy tsy tapaka ny raharaham-pirenena sy ny mavaivay eto an-tanàna isan’andro ny etsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ka manana ny heviny manokana mikasika ity raharaha famonjana mpanao gazety ity. Marina ny tenin’ny ambasadaoro frantsay hoe tokony hanova toe-tsaina ny Malagasy, hoy Randriamamizafy Ignace

Tsara ilay hevitra raha atomboka amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika. Miverina mandeha ambonin’ny atody indray ny toe-draharaha ankehitriny, sarotra ny miteny. Ny mahavarina amin’ny mpanao gazety dia tsy nisy nihetsika izy ireo tamin-dry Evariste Mada, Lolot sy Jaona sy ny namany Fahazavana niditra am-ponja  nefa samy raharaha politika izao no nanenjehana azy ireo tamin’ny haino aman-jery nankatona. Nisy aza tamin’ireny naneso. Rehefa inona no mitambatra sy mitokona ? Tamin’ireny aza mpanao gazety ny minisitra. Tsy vitan’ny hoe nigadra ny mpanao gazety tamin’ny andron’ny tetezamita, hoy Raobelina Fenomanjato, fa nanjavona  hatramin’ny fitaovan’ny haino aman-jery tamin’ny fanakatonana natao. Izao ny mpanao gazety hidiran’ny mpanao politika satria koa tena manao politika. “Raha mbola izaho no minisitra, tsy misy haino aman-jery misokatra eo”, hoy Ingahy minisitra Rolly Mercia, fa izao izy mitaky ny fahalalahana indray. Ny nataonao ihany no miverina aminao aty aoriana, hoy Rarison Hilarion. Famingavingana ilay horonam-peo nataon’ny Amiraly tao amin’ny Viva dia nandray andraikitra ny fitondrana Ravalomanana. Toy izany koa ilay hoe virus piratage tao amin’ny MAE dia nitohy tamin’ny mpanao gazety. Tsara ny firaisankina eo amin’ny mpanao gazety na mpitsara na holafitra samihafa fa tokony hisy kosa ny  “traitement égalitaire”. Tsy mety hoe ny sasany dorana dia tsy mbola an’asa ny ankamaroan’ny mpanao gazety nogadraina hatramin’izo fa ny hafa kosa harovana. Mahamay izao ny toe-draharaha, efa mitaky ihany dia takio hatramin’ny haino aman-jery mbola mikatona. Ny RFI izao milaza fa maivana toy ny taratasy ny fitondrana, izany no tokony hosamborina, sa Frantsay dia avela ?  “Inona moa no manahirana ny fanjakana hamoaka ny marina momba ny boaderôzy ?”, hoy i Zafilahy Stanislas, hifototra aminy io raha mitohy satria miahiahy amin’ny tanan’ny fitondrana ny vahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT