Politique

Magro Behoririka Velom-bolo ny Zanak’i Dada


  • Alakamisy 31 Mey 2012

Nahavelom-bolo ny Zanak’i Dada, indrindra ireo tonga isan’andro ao amin’ny Magro Behoririka ny zava-nitranga tato anatin’ny 48 ora izay.

 Teo aloha ny fanambarana nataon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENIT ny talata 29 mey teo, nilaza fa tsy afaka namaritra tetiandrom-pifidianana satria tsy mbola feno ny fepetra raha toa efa niandry fatratra izany ireo mpomba ny FAT. Teo ihany koa ny fanambarana nataon’ireo filoha mpiara-mitantana ny fihaonamben’ireo parlemantera eo anivon’ny Vondrona eoropeanina sy Afrika-Karaiba-Afrika nanatanteraka fivoriambe faha-23 tany Danemark ny 28 ka hatramin’ny 30 mey, mampahatsiahy ny hisian’ny fitoniana eto, mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana.

Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny famohana ireo haino aman-jery nakatona, ny fampitsarahana ny famoretana ny mpanohitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ary indrindra ny fodian’ireo sesitany politika rehetra tsy misy fepetra ka anisany ny filoha Marc Ravalomanana. Mazava ny resaka ankehitriny fa tsy azo ihodivirana ny fodian’ny Dadanay, hoy ny etsy amin’ny Magro Behoririka. Tankina ary dia mangina Ambohitsirohitra satria tsy maintsy mody i Marc Ravalomanana, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresy (CT) Andriamoratsiresy Sandros Alfred. Maniry isika, hoy ny CT Iandro Robertson mba hiara-hankalaza ny fetim-pirenena amin’ny filoha Marc Ravalomanana isika amin’ny 26 Jona.

Fantatra fa dia miomana fatratra amin’izay fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny zanak’i Dada manerana ny Nosy. Goavana ny asa miandry antsika, hoy Razafimanantsoa Hanitra, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, raha tonga tetsy amin’ny Magro omaly, nanentana ireo mpiara-dia aminy hiomana amin’io fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana io. Milaza mialoha isika fa amin’ny ara-dalàna no hamerenantsika an’i Dada eo amin’ny fitondrana fa tsy amin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana, hoy ny Me Hanitra nanohy ny teniny. Nampahafantra koa izy fa hivory any Luanda (Angola) ny SADC rahampitso zoma 01 jona. Tsy hivaona amin’izay efa tapaka tany Sandton (Afrika Atsimo) ny fanapahan-kevitry ny SADC eo. Tsy maintsy hanamafy izay efa tapany hatramin’izay ny SADC, hoy hatrany ny Me Hanitra. Ity farany izay nilaza fa efa nihaona tamina filoha afrikana maro ny filoha Ravalomanana nandritra ny fankalazana ny andron’ny Vondrona Afrikana, herinandro lasa izay, ary samy nanome tokony azy izy ireo hanamora ny fodiany an-tanindrazana. “Rehefa tsy mampody ny eto, isika mahavita”, hoy Me Hanitra Razafimanantsoa.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT