Politique

Magro Behoririka Tsy vaky ny TIM fa afaka miverina izay niala


  • Talata 15 Jolay 2014

Rariny raha resahana an-kianja ny TIM satria i Marc Ravalomanana no filoha mpamorona azy ka tsy afaka misaraka aminy izany ny TIM izany,

,  hoy ny depiote Horace Rasoanoromalala omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka. Ravao ary aloha ny antokonareo dia miverina TIM ianareo taloha ireo, tsy fanilihana izany fa lalàna. Matoa misy vahoaka mitaky hatrany ny fodiandRavalomanana dia misy ny mijaly. Raitra ny programa natolotry ny governemanta fa an-tsoratra ihany satria tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka ary tonga mivory hatrany eny Tsimbazaza ny depioten-dRavalomanana satria mibanjina ny mahasoa ny vahoaka ary tsy misy baiko hafa raisina afa-tsy avy aminy ihany. Tsy maintsy arahana ny hafatry ny raiamandreny raha mbola zanany ianao ary tsy tafavoaka ny zanaka raha tsy manaja azy ireny, hoy Razafimandimby Zafilahy Stanislas. Eny anivon’ny governemanta izao ny lalàna mirakitra ny tetibola fanampiny (loi de finances rectificatives)  satria 700 tapitrisa dolara amerikanina no tadiavina. Raha hahena 500 tapitrisa dolara aza tsy tratra fa vao 150 tapitrisa dolara no misy ka izay no hanomezan-dRavalomanana tolo-tanana mba ho an’ny vahoaka Malagasy. Aleo resahana izay tsy mety na dia ato anatiny aza satria ny TIM ihany no namono an-dRavalomanana tamin’ny fotoanandrony ka tsy misy hanaiky fanapotehana vaovao hafa intsony eo. Razoarimihaja izao no filoha nasionalin’ny TIM, izy no mpitarika ara-dalàna ka tsy tokony hisy hanao valandresaka hafa manokana ankoatrany. Tsy vaky izany ny TIM fa ireo nivoaka no te hiditra indray rehefa ravany ny antokony. Nety ny “convention” raha tsy nisy ny tany amin’ny aditany sy “conseil d’Etat”, misokatra amin’izay te hiditra ny varavarana ka raha variana nitsangantsangana ireo namana taloha dia mandray ny  rambony ka milahatra indray. Fiaiken-keloka aloha vao fihavanana. Tsy hanohana olona hafa isika, fa ny olontsika ihany ary olona tsy maintsy lany no hatao kandidà amin’ny fifidianana ben’ny tanàna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT