“Aiza izahay izay lena eo ?”. Na dia tsy noventesin’ny mpitolona mpandala ny ara-dalàna tetsy amin’ny Magro Behoririka nivantana aza izany omaly noho ny fijojoan’ny orana tao anatin’ny fihainoana kabary fanentanana dia tsapa nipololotra avy tao am-pon’ny tsirairay avy.
Tsy nampihontsona ny rehetra efa vontom-pinoana amin’ny fandresen’ny tolona tokoa izany oram-batravatra niseho omaly izany fa tsy nisy niala ny rehetra fa nihaino kabary hatramin’ny farany. Matahotra ny Frantsay fa mahery ny filoha Marc Ravalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas. Tsy tafavoaka isika raha mbola misy teritery avy any ivelany. Tsy rariny raha ny vahiny no mandidy ny amin’ny mety sy tsy mety eto Madagasikara, hoy ny CST Leriva Manahirana. Tsy mahavita azy angaha, hoy izy, ny miaramila Malagasy no miaramila frantsay no mameno tanàna ankehitriny ? hoy ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana. Anio vao tena hanomboka ny fanaovana sonia ilay taratasy halefa any amin’i Goldblatt, hoy izy. Efa ho resy io Frantsay mitabataba io, hoy ny CT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato. Fanaratsiana ranoiray sisa atao amintsika mpitolona fa tsy mandaitra izany. Isika tsy mihemotra amin’ny tolona atao izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.