Politique

Magro Behoririka Tsy hisy ny hetsika zoma ho fanomanana ny sabotsy


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Tsy misy hetsika isika amin’ny zoma, hoy ny Depiote teo aloha avy any Faratsiho Randrianjatovo Henri, sao ambara indray fa mpanakorontana ny Magro sady mba ho fiomanana ho amin’ny hetsika lehibe hatrehana amin’ny sabotsy kosa izany.

 Aza miraharaha “ultimatum” izany, hoy izy, fa rehefa tsy manana finiavana ny Malagasy dia handray andraikitra ny Vondrona Iraisam-pirenena. Tamin’ny 12 aogositra 2009 i Edem Kodjo no niteny fa tsy mitombina ny fiampangana ny Filoha Marc Ravalomanana satria fahefana tsy mahefa no nanapaka, izany no mampisahotaka ny FAT rehefa nivoaka ny tapaka tany Sandton. Mihasarotra ny raharaha ka nanapa-kevitra hanao sonia haingana ny FAT. Ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Iraisam-pirenena koa anefa dia tsy mivaona amin’izay tapaka voalohany fa ny pitsopitsony no miova, hoy Randrianjatovo Henri, ka miandry fatratra ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ny vahoaka.

Naongana aloha izy dia nitondra krizy, tsy avela miverina vao mainka krizy ny firenena, hoy ihany Randrianjatovo Henri. Tsy nitondrana tafondro na basy ny V6 fa vavaka teto amin’ity kianja ity no nampiova azy, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame. Efa tsara io vokatra io fa ny famerenana ny ara-dalàna no farany. Hetsika lehibe sy tsara ny sabotsy, hoy izy, ka rehefa miasa Andriamanitra, tsy voasakan’ny miaramila izany. Niavaka kely omaly ny fisehoan’i Hery Rasta tao an-kianja indray rehefa nahavita ny saziny tany am-ponja. “Raha tsy teo ny Tompo”, hoy izy, “very aho satria zavatra tsy nataoko no nidirako tany am-ponja 9 volana sy 3 andro”.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT