Politique

Magro Behoririka Tsy ekena ny tandrametaka…


  • Talata 02 Aprily 2013

Hafa kely ny ambiansy teny amin’ny Magro ny sabotsy 30 Martsa lasa teo satria tafara-dia teny an-kianja indray ny zanak’i Dada sy ny ankolafy Zafy. Fotoana nihaonana nampivondronana ny hery sy nilazana ny zava-misy marina. Fotoana nahafahana namaky bantsilana ihany koa ny kabary ambony vavahady mahazatra an’i Andry Rajoelina, izay toa tsapa fa tsy mahafantatra tsara ny tantaran’i Madagasikara akory na mahafantatra ihany fa tena minia manova azy mihitsy.

Fifidianana

Mbola marefo ny lalana handehanana any amin’ny fifidianana, hoy i Nojinco satria fifidianana eken’ny rehetra no ialana amin’ny krizy ka mila fitoniana maharitra hiverenana amin’ny ara-dalàna. Ny olana anefa dia maro be ny kiana azon’ny CENI-T na eto an-toerana na avy any ivelany. Tazomin’ny FAT avokoa ny fahefana ka ho sarotra amin’ny rehetra ny hanaiky fifidianana, hoy izy. Nomarihan’ny mpikambana ao amin’ny CT Satrobory ihany koa fa diso ny fitenenana fa tsy te hifidy ny ankolafy Ravalomanana. Ilay tandrametaka no tsy ekena, hoy izy. Tsy malalaka ny fahafahana miteny raha nanao ny hetsika tany Matsiatra ambony ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny CST Meme avy any Lalangina. Mbola feno ny sakana ka nampihemotra mpitarika maro, misy aza ny fandrebirebena satria dia namoronana rindran-kira sy fampisehoana mihitsy saingy tsy nahasarika vahoaka izany. Niroso ihany ny mpitarika ary liana ny vahoaka, niditra nivantana hatrany ny filoha Ravalomanana ary nomeny fahafahana nametraka fanontanina ihany koa ny vahoaka izay nilahatra mihitsy. Enina tanatin’ny fito ny distrika vita hetsika, hoy izy ary nitroatra ny TGV tany an-toerana fa noho ny asa no maha TGV azy ireo. Vaky vava hatramin’i Pety Rakotoniaina fa hoe tena matanjaka Ravalomanana, hoy ihany ny fanazavany. Nanafatra ny vahoaka tany Matsiatra ambony fa fanantenana ho an’i Madagasikara manontolo ny hetsika eto Antananarivo.

Tsy mila frantsay…

Mikasika ny fankalazana ny fahatsiarovana ny andron’ny 29 Martsa kosa dia velom-panontanina ny CT Ignace avy any Moramanga fa tao amin’ny tokotanin’ny zandarimaria foana Rajoelina no mipetsopetsona. Adinon’i Andry Rajoelina ve fa fikatsahana ny fahaleovantena no nahatonga ny tolona, kanefa amin’izao tetezamitany izao dia feno frantsay ny rafitra, indrindra fa ny tafika ? Manohy ny tolona tokoa ve izy raha nilaza fa anay tanora tanora izao no manohy ny nataonareo ? Manamarika koa ity mpikambana ao anaty kongresin’ny tetezamita ity fa aza ovaina ny tantara satria raha 83 taona izao i Dadazisy, mbola zatovo izany izy tamin’ny 1947. Nisedra ny fangirifirina ara-batana sy ara-tsaina tokoa izy fa maninona no tsy misy mahalala azy ao Moramanga ? Miaramila frantsay, hoy ny CT Tsianahy no nampianatra ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Mbola masoivoho frantsay ihany no milaza ankehitriny fa vita fifidianana Ravalomanana vao tokony hody. Noho ny hadalana tamin’ny 2009, hoy izy no mahamaro ny miaramila frantsay eto satria tsy mbola tanteraka ilay fanonganana. Raha ilainay ianareo frantsay tsy nailikay tamin’ny 1947, hoy izy.

RHR


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT