Politique

Magro Behoririka Tongotra mby an-dakana ity


  • Talata 24 Aprily 2012

Miomana fatratra amin’ny tatitra miaraka hataon’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita eto an-drenivohitra ny etsy amin’ny Magro Behoririka.

Ireo Parlemanteran’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no voalaza hatreto fa hitarika azy ity. Raha ny fampitam-baovao nataon’i Zafilahy Stanislas omaly tao amin’ny Magro Behoririka dia ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, mihitsy no hitarika azy ireo amin’io tatitry ny fivoriana in’efatra miantoana niantsoana azy ireo io, izay tokony hifanandrify amin’ny fampiharana ny tondrozotra. Hatreto dia amin’ny sabotsy 28 aprily no voafaritra fa hatao io tatitra io.

Mandra-pisy ny famaritana mazava ny toerana hanatanterahana azy kosa dia mitohy ny fampitam-baovao sy ny fanentanana ao amin’ny Magro. Miverimberina ao anatin’izany ny tsy fanajana ny tondrozotra ataon’i Andry Rajoelina, ka dia ny fialany sisa no vahaolana hamaranana izao krizy izao, satria dia efa maneno sahona avokoa ankehitriny ny sehatra rehetra. Hanohana antsika i Madagasikara iray manontolo amin’io, hoy Ralaiseheno Guy Maxime, ka aza diso anjara fa tantara no hosoratana. Nanamafy i Zafilahy Stanislas, fa dia hamadihana pejy io amin’ny sabotsy io ka mila firaisankina, satria tongotra mby an-dakana io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT