Raha misavorovoro ny toe-draharaha eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, mifandramatra ny Mapar sy ny PMP dia miomana fatratra amin’ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny ankolafy Ravalomanana.
Omaly dia fantatra fa tonga avy any Afrika Atsimo i Neny Lalao Ravalomanana, vadiny, rehefa tsy teto nandritra ny andro vitsivitsy. Nisy solontenan’ny zanak’i Dada nitsena azy teny Ivato. Io omaly tolakandro io ihany dia tonga nanao tatitra tamin’ireo vahoaka manohy tsy tapaka ny tolona ao amin’ny kianjan’ny Finoana ny delegasiona ary nilaza fa “tsy misy entan’i Dada intsony any Afrika Atsimo fa izy tenany sisa ary misaotra ny vahoaka izy (Neny) fa salama tsara i Dada ary ho avy tsy ho ela. Tsy niantso mpanao gazety i Neny teny am-pahatongavana sao misy mandika izany ho zavatra hafa noho ny tranga miseho eny Tsimbazaza”. Nilaza ireo delegasiona avy eny Ivato fa “hiverina haingana eto ilay mpisolovava afrikanina tatsimo, sady mpanolotsaina manokan’ny filoha Marc Ravalomanana, Brian Currin hamita ny asany, tafiditra amin’ny fanomanana ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana tsy misy raorao. An-kafaliana no nandraisan’ny tao amin’ny Magro ny tatitra, ary nampiredareda ny fanantenana sy ny finoan’izy ireo hifanatri-tava tsy ho ela amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia niarahaba manokana an’i Maître Hanitra Razafimanantsoa sy Guy Rivo Randrianarisoa ny mpitolona ao amin’ny Magro amin’ny nahatafiditra azy ireo ho anisan’ny mpikambana eo anivon’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena mba hametraka tokoa ny tany tan-dalàna eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.