Politique

Magro Behoririka Tondrozotra ! Mila domina matetika ny fitondrana


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Mbola samy nanaporofo ny fisian’ny fifanarahana tamin’ireo ankolafy TIM samihafa ireo mpitari-tolona nikabary tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly (Manoela, Feno, Eric). Nila nakambana ny TIM satria faran’ny volana aprily no mifarana ny “procedure legal de parti” ka raha tsy vita teo dia maty, hoy i Rarison Hilarion.

. Komity fampihavanana avokoa ny antokon-dRajemison, Radavidson, Fetison sy ny namany efa samy nanaiky fa Atoa Razoarimihaja no filohan’ny TIM ary Mamy Rakotoarivelo no SG saingy tsy nambaran’izy ireo nivantana ny anaran’ireo anaty birao ka izay no nampisavorovoro kely. Mila mitandrina tsara isika satria politika no atao ary Ravalomanana tompony ihany no afaka mikasika ny TIM, tsy maintsy mifamela na marary aza ny fo. Inona izao no mahasarotra ny nanome pasipaoro hodian-dRavalomanana dia  mitobaka ny vola ho setriny ? Ady amin’ny fahantrana sy fanarenam-pirenena no tokony hobanjinina, hoy i Eric avy any Antsohihy, isika zanak’i Dada aza nahavita nampiakatra ny fianakavian’ny kolonely Coutiti  teto amin’ity kianja ity ka nanolotra fanomezana ho azy any am-pigadrana, ka isika samy isika indray ve no tsy afaka hifamela ? Tsy hanafosafo ny prezidà Hery Rajaonarimampianina aho, hoy i Manoela  fa domiko isan’andro  izy mba tsy hatory ka hahatsiahy fa mbola misy olona tavela tokony hampodiana any ivelany any, misy gadra politika tokony havoaka ny fonja eto ary tokony hovohaina amin’izayny ireo haino aman-jery nakatona. Tsy nasian’ny Frantsay resaka ny tondrozotra tamin’ny kabary fankalazana ny 14 jolay teny Ivandry, hoy i Fred tantsaha, tsy mahagaga izany satria ny Frantsay no fototry ny zavatra mitranga teto tamin’ny 2009.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT