Saika niompana manontolo tamin’ny firesahana resa-pifidianana ny kabary fanentanana rehetra nifandimbiasana omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, hatrany amin’izany nolazain’ireo solontenan’ny fikambanana isan-tsokajiny ka hatramin’ireo parlemanteran’ny tetezamita nandalo tamin’ny solontenan’ny Ankolafy Zafy, Atoa Fidison. Ity farany izay nahitsihitsy filaza nanambara fa tetezamita tsy misy Rajoelina vao mitsangana ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny Pr Zafy Albert. Ekena ny fifidianana, hoy izy, fa raha iny lalàmpanorenana tandrametaka tamin’ny 2010 iny no hitondrana Repoblika, tsy ekena. Fahadisoam-panantenana tanteraka no nentin’ilay fiovana nodradradradraina tamin’ny taona 2009.
Mila tonga i Dada vao ara-dalàna ny fifidianana eto, hoy ny feo heno tetsy Behoririka omaly, vonona amin’ny fifidianana isika raha tanteraka izany fa raha tsy mbola tanteraka izay voalazan’ny tondrozotra ka nifanarahana dia hiala ny Ankolafy Ravalomanana ka tsy hanan-danja ny fifidianana fa dia ho krizy vaovao indray no tonga eto. Mitanila loatra ny fitondrana tetezamita ankehitriny nefa fidianana tsy miandany, mangarahara ary eken’ny rehetra no katsahina fa tsy fifidianana hatao amboletra. Dia hanaiky izany ve ny hafa ? Mahatoky an’i Dada isika, toy izany koa ny Sadc sy Troika, fa tsy mantsy misy foana ny mpampiady. Tompon’ny tolona isika ka tsy maintsy mamarana azy, hoy ny famaranan-tenin’i Zafilahy Stanislas.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.