Ankoatra izay toerana maro efa nandalovan’ny Ankolafy Ravalomanana dia nanambara koa tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly i Jean Claude avy any Vonizongo fa any amin’ny Faritra lavitra rehetra eto Madagasikara manontolo dia mbola ny filoha Marc Ravalomanana ihany no tadiavin’ny olona ary maro an’isa ny mpomba azy. Nanabotry ny firenena raha ireny «tiercé» nanatitra dosie ireny, hoy i Fidison Ankolafy Zafy Albert. Ny lehibeny aza efa nilaza, hoy izy, fa tsy misy Tia Tanindrazana ny kandidà milatsaka. Mila manova ny fanaovana politika ny mpanao politika Malagasy, hoy ny CT Manoela Ralaimampisainarinony. Mitazona ny teny atao ary mijoro amin’ny hevitra havoitra fa tsy miovaova palitao na misababaka lava izao no atao dia ny vava no atao be. Mila raisintsika lesona avy any ivelany, tahaka an’i Margaret Tatcher, hoy izy, izay nampiaiky an’izao tontolo izao nefa vehivavy. Tsy mandaitra ny fihavanana raha ny sasany mbola any am-pita, ny hafa mbola any anaty fonja sy sasany mbola tampenam-bava, hoy ity CT mpitaritolon’ny ara-dalàna ity. Tsy mbola hilamina io raha izany, hoy izy namarana ny teniny.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.